Socio-eco

STARTIMES – TOLOTRA HO AN’NY FETIN’NY PASKA: Afaka misitraka ny bouquet farany ambony amin’ny vidiny mirary ny mpanjifa


Samy hahazo ny anjara tandrifiny ny mpianakavy mandritra ny fetin’ny paska 2026. Manana tolotra miisa telo (03) ny Startimes ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa mandritra ny fety.  Ny tolotra voalohany dia izay mampiasa ny bouquet SMART na BASIC (28.000 Ariary) ka manampy 5000 Ariary dia afaka mahita ny bouquet farany ambony na CLASSIC/ SUPER mandritra iray volana. Mahazo tombony 17.000 Ariary ny mpanjifa satria 50.000 Ariary ny  vidin’ity bouquet farany ambony ity.

 Ny tolotra faharoa kosa dia mahita ny bouquet farany ambony mandritra ny roa volana raha manao réabonnement mandritra ny roa volana izay mampiasa ny bouquet SMART na BASIC. Lasa 56.000 Ariary izany bouquet ambony mandritra roa volana raha tokony ho 100. 000 Ariary.

Ho an’ny mpanjifa mampiasa ny bouquet farany ambony ka manao réabonnement roa volana dia mahazo 10 andro fanampiny maimaimpoana.

Nambaran’i Randrianarivony Nantenaina, tomponandraikitra ao sampandraharahan’ny serasera eo anivon’ny StarTimes Média Madagascar fa manankery nanomboka ny 15 martsa ka hatramin’ny 30 aprily 2026 ireo tolotra ho an’ny fetin’ny paska ireo.

Mamaly ny filàn’ny tsirairay

Ahafahan’ny rehetra tsy ankanavaka misitraka fialamboly no tanjon’ny Startimes. Ao anatin’ny fanatanterahana izany ny tolotra ho an’ny fetin’ny paska. Manana fandaharana mamaly ny filan’ny mpianakavy tsirairay ihany koa ity televiziona nomerika ity. Ho an’ny mpankafy tantara mitohy (novelas) dia afaka mihanoka izany amin’ireo chaîne mihoatra ny 10, amin’ny teny frantsay sy anglisy ary sinoa izy ireo. Mandritra fotoanan’ny fialan-tsasatra, afaka manaraka ireo chaînes miisa 15 ny ankizy. Tsy diso anjara koa ireo mpankafy kolontsaina asiatika satria afaka manaraka ireo tantara SINO DRAMA.

 Manana chaîne am-polony ny Startimes natokana ho an’ny fanatanjahantena. Santionany ny fampitana mivantana ny lalao iadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja baolina, diviziona voalohany “Pureplay Football League” na PFL sy fitantarana amin’ny teny Malagasy ny fifaninanana baolina kitra any ivelany Laliga sy Bundesliga.

 “Hiezaka hanome fahafaham-po hoan’ny rehetra tsy ankavanaka izahay. Anisany mampiavaka ny Startimes ny fandefasana ireo série be mpankafy amin’ny teny vahiny nadika tamin’ny malagasy mandeha ao amin’ny GASYSTAR sy UPTV, toy ny Gangs of Manila, Chandra Nandini, Hands on the dreams. Eo ihany koa ny famokarana fandaharana eto Madagasikara, toy ny téléréalité: UPFANKATIA”, hoy i Haja Randria, talen’ny UPTV.  Nambarany fa am-piketrahana fandaharana hafa vokarina eto an-toerana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *