Natao ho an’ny Malagasy 100 % ny tolotra omen’ny Startimes. Ho an’ny mpankafy baolina kitra, mitohy ny fitantarana amin’ny teny malagasy ireo fifaninanana iraisam-pirenena, toy ny LALIGA ao amin’ity televiziona nomerika ity. Iarahana amin’ny mpitantara matihanina Daniel Randriamaro sy Edoaurd Ratovoson, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Rayest izany. Efa nanomboka tamin’ity volana janoary ity ihany koa ny fitantarana amin’ny teny malagasy ny BUNDESLIGA, araka ny fampitam-baovao. Ao amin’ny UPTV (DTH 769, DTT 111), « chaîne exclusive” an’ny StarTimes no ahitana izany. Ny lalao rehetra kosa dia mandeha amin’ireo chaîne Sport StarTimes toy ny ST sport premium, St Sport Life, ST world football.
Ankotran’izany, mandeha mivantana ao amin’ny GASYSTAR (DTH 788, DTT 108) ny lalao fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara ho an’ny taranja baolina kitra, diviziona voalohany “Pureplay Football League” (PFL). Lalao roa (2) isan-kerinandro no mandeha mivantana ary lalaoroa (2) tsy mivantana. StarTimes no diffuseur exclusif ny PFL. Nanamafy ny ekipan’ny seraseran’ny Startimes fa miezaka manome “tolotra manakaiky vahoaka hatrany sy natao ho an’i Malagasy 100 % ”.
Ra-Nirina



