Misy toe-javatra tokony hohatsaraina ny fitantanana ireo tobim-pahasalamana fototra miankina amin’ny fanjakana na CSB. Anisany antom-pijoroan’ny sendikan’ny chef CSB ny fiarovana ny zon’ireo mpiasa, ny fanamorana ny fahazoana ny vola entina hampiodinana ny hopitaly ary ny fampidirana ireo mpitsabo mpilatsaka an-tsitrapo ho mpiasam-panjakana. Nampahafantarina ny alakamisy 19 martsa 2026, teny Anosy, ny fijoroan’ny sendikan’ny Chef CSB izay hivondronan’ireo lehibe mpitantana ireo CSBI na CSBII manerana ny faritra 24.
“Ny hisian’ny fanatsarana no tanjonay fa tsy hanakorontana akory. Miezaka ministeran’ny fahasalamam-bahoaka manampy anay. Misy vola antsoina hoe “budget de fonctionnement” na “dotation” izay ho entin’ny chef CSB ahafahana manodina ny CSB toy ny fitaovana, stylo, cahier, moto hakana fanafody. Betsaka ny CSB no lavitry ny toerana hakana ny fanafody (50 ka hatramin’ny 150 km miala amin’ny toerana hakana fanafody). Ahafahan’ny hopitaly miodina dia mila lasantsy hakana ny fanafody sy vola hanaovana ny fikojakojana ny moto. Io vola io no misy olana kely : tsy lasa ao anatin’ny kaontin’ny chef CSB ny vola fa lasa any amin’ny kaontin’ny kaominina. Somary sahirana nychef CSB maka sy mampiasa io vola io. Ny antony dia misy ben’ny tanàna sasany manahirana ny mitaky ny vola hampiodinana ny CSB. Ankoatra izany, betsaka ny dingana arahina vao afaka maka ny vola: misy aman-taona, amam-bolana mihitsy vao azo ny vola. Misy aza telo na efa-taona tsy azo ny vola fa bloqué ao kaominina noho izay dingana arahina izay. Mitaky izahay ny hanamorana ny fampiasaina io vola io ka arotsaka amin’ny kaontin’ny CSB ary asiana komity mpanaramaso”, hoy i Dr Raherininiaina Rochel , Filoha mpanorina ny sendikan’ny Chef CSB. Nambarany fa lasa tara ny kaomandin’ny fanafody ho ampiasaina eny anivon’ny hopitaly noho ny tsy fisian’ny vola.
Miasa 7 andro amin’ny 7 sy 24 ora amin’ny 24 ny mpiasa noho ny tsy fahampian’ny mpiasa, araka ny fanazavan’i Dr Raherininiaina Rochel. “Zo iadivanay koa ny andro iasana satria lasa mihoatra amin’ny ora tokony hiasana izahay. Araka ny lalàna mifehy ny asa anefa dia adiny 8 isan’andro sy 40 ora isan-kerinandro.
Ankoatra izany, takian’ny sendika ny hampidirana ireo mpitsabo mpilatsaka an-tsitrapoho mpiasam-panjakana satria “tena manampy be ny Chef CSB amin’ny fampiodinana ny tobim-pahasalamana”.
Distrika 100 mahery eo no efa misy sendikan’ny chef CSB, araka ny fanazavan’ny filohan’ny sendika hatrany.
Ra-Nirina



