Kaominina 22 hisitraka herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina. “Hiaina ao anatin’ny fahazavana amin’izay ny kaominina ambanivolo izay tarihiko, hihena tsy fandriam-pahalemana noho ny fahamaizinana”, hoy ny Ben’ny Tanana ny kaominina ambanivohitr’i Marovatolena, distrika Analalava, RASOLO. Tetikasa iarahan’ny orinasa mpamatsy fitaovana ilaina amin’ny herinaratra, Schneider Electric amin’ny ML Stone izay mpamokatra fitaovana ahazoana herinaratra avy amin’ny angovo maitso izy ity.
Tetikasa andrana
Ben’ny tanana iray isaky ny faritra 22 eto Madagasikara nivory teny Ivandry Alarobia ny 15 desambra 2017 teo. Nomena azy ireo ny toromarika ara-teknika rehetra ahafahana mampiasa ny “panneau solaire voltaïque” na ny fitaovana ahazoana herinaratra amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro. Nambaran’ny tomponandraikitra avy ao amin’ny ML Stone fa 150 ka hatramin’ny 250 kw ny tanjaky ny herinaratra afaka ampiasain’ny tokantrano iray.
“Ela no nandrasana ny fisian’ny fanazavana eny ambanivolo. Hitondra fivoarana ho an’ny kaominina ambanivohitra ny fiarahamiasa amin’ny Schneider Electric sy ny ML Stone”, hoy ny Filohan’ny fikambanana AKAMMA na Aingan’ny kaominina Ambanivohitra mivondrona eto Madagasikara sady Ben’ny tanana ao amin’ny kaominina ambanivohitra Soavinandriana, RAKOTOMALALA. Nanamafy ihany koa ny Ben’ny Tanana ny kaominina ambanivohitry Beratsimanina, distrika Maevatanana, Norbert RAJOELISON fa hisolo fahazavana ny aizina niainan’ny mponina hatramin’izay satria sambany vao hisy herinaratra ao amin’ny kaominina tantaniny.
“Tetikasa andrana ity famatsiana jiro eny amin’ny kaominina ambanivohitra ity”, hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny Schneider Electric, Mbolatiana….
Nirina R.



