« Maro ny tanora manana hevitra tsara kanefa tsy ampy tohana », hoy i Lala Disaine, Tale misahana ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, eo anivon’ny ministeran’ny indostria sy fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina (MIDSP). Mikarakara fihaonana ho an’ny sehatra tsy miankina any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara na Rencontres du Secteur Privé Sud (RSPS) ny Miarakap sy ny MIDSP ny 12 sy 13 febroary 2026. Any Fort-Dauphin no hanatanterahana azy.
 Natao hampivondronana ireo mpandraharaha any amin’ny faritra Atsimo, ireo manam-pahefana any an-toerana sy  eo amin’ny sehatra nasionaly, ny solontenan’ireo sampandraharaham-panjakana, ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, sy ireo sehatra tsy miankina  ary ireo mpandraharaha tohanan’ny Miarakap ity fihaonana ity.
Manodidina 300 ka hatramin’ny 400 ireo no mpandray anjara andrasana mandritra ny roa andro. Asaina manokana ireo tanora mpandraharaha na ireo tanora manana hevitra na manana tetikasa ka te hampivelatra izany.
Ankoatra ny famelabelaran-kevitra dia ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fijoroana vavolombelona ataon’ny mpandraharaha, ny fotoana natokana hifanakalozan-kevitra.
 « Ny hetsika tahaka izao dia ahafahana mahazo tantsoroka, mahita lalam-barotra, ahazoana fampianarana ny lalana andalovana amin’ny fandraharahana sy manohana ny tanora mitady asa sy handraharaha. Anisany mampiroborobo ny toekarena any amin’ny faritra sy ahafahana mahafantatra ny olana, toy ny lafiny ara-bola, fahaizamanao… ihany koa », hoy hatrany ny Tale misahana ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina.
Nambaran’i Emmanuel Cotsoyannis, Tale Jeneralin’ny Miarakap fa ho fampiroboroboana ny toekarena ao amin’ny faritra Anosy no antony hanaovana ny Rencontres du Secteur Privé Sud ao Fort-Dauphin. Orinasa 20 ao an-toerana no  ho avy handray anjara. Misokatra ho an’ny orinasa madinika ihany koa ny hetsika », hoy izy.
Ivon-toerana ho an’ny mpandraharaha
Ho tokanana mandritra ny Rencontres du Secteur Privé Sud ihany koa ny Hub entrepreneurial AKAO ao Fort-Dauphin. Ivon-toerana manokana ho an’ny fandraharahana hamadihana ny hevitra ho lasa tetikasa, hisitrahana fiofanana, hanomezana tosika ho an’ny mpandraharaha, hampifandraisana ireo mpisehatra ara-toekarena sy miasa amin’ny fampiroboroboana ireo tetikasa mitondra zava-baovao izy ity.
« Manana tombony kokoa  ny mpandraharaha eto Antananarivo. Betsaka  anefa ny mpandraharaha any amin’ny faritra no manana hevitra sy manan-talenta. Io zava-misy io no antony nananganana ny Hub entrepreneurial AKAO ao Fort-Dauphin », hoy i Emmanuel Cotsoyannis, Tale Jeneralin’ny Miarakap. 8 taona teo no nisian’ny Miarakap teto Madagasikara.  Mamorona sy manantanteraka fandaharan’asa manohana ny mpandraharaha, manome famatsiana ara-bola ity orinasa mpitantana fandraharan’asa manafaingana ny fampiroboroboana ny fandraharahana ity. Mpandraharaha 300 no efa notohanany.
Ra-Nirina



