Tsy foto-drafitr’asa fotsiny irery ihany ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato fa vavahadin’ i Madagasikara ahitan’ireo mpitsidika avy ivelany na Malagasy mahita ny hatsaran’ny kolotsainan’ny Nosy ihany koa. Ho firaisam-po amin’ny vahoaka Malagasy noho ny fankalazana ny fitsingerenan’ny fahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena dia nankalaza izany ny orinasa Ravinala Airports, ny zoma 23 jona 2023. Natomboka tamin’ny fananganan-tsaina ny hetsika, notohizana tamin’ny alalan’ny fandraisam-pitenenana sy fitsidihana ireo trano heva mampahafantatra ny asan’ny mpitandro filaminana eny amin’ny seranam-piaramanidina. Tamin’io fotoana io no nanamafisan’ny orinasa mpitantana ny seranam-piaramanidina Antananarivo sy Nosy Be fa «an’ny vahoaka Malagasy ireo seranam-piaramanidina». «Izany indrindra no hanomezanay servisy tsara kalitao izay andrasan’ ireo mpandeha mankaty Madagasikara. Manamarika ny firaisam-pirenena sy ny fandraisana andraikitra amin’ity firenena ity ihany  koa izao fanangana-tsaina izao. Ho tohizana isan-taona izany ho lasa fomba fanao, ho fifampizarana, ho soatoavina Malagasy », hoy ny Tale Jeneralin’ny Ravinala Airports, Julien Coffinier.
 Amin’ny maha fetin’ny foloalindahy ny 26 jona dia nisy ihany koa ny trano heva nampahafantarana ny asan’ny mpitandro filaminana eny amin’ny seranam-piaramanidina. Nilaza ny Tale Jeneraly fa mpiara-miasa akaiky amin’ny orinasa ny mpitandro filaminana. «Entina hampisehoana fa ny Ravinala Airports dia orinasa malagasy ary miara-mientana amin’ny Malagasy, miara-mankalaza amin’ny Malagasy ny fetim-pirenena. Hampahafantarana ihany koa ny andraikitr’ireo miaramila, ny fitaovana ampiasain’izy ireo ity hetsika androany ity », hoy Randrianirinamifidimanantsoa Jean Dieu de Donné, mpanolontsaina eo eo anivon’ny sampandraharaha ankapobeny misahana fifandraisana amin’ny andri-panjakana sy ny filaminana. Hita avokoa ny fihetsika rehetra eny amin’ny seranam-piaramanidina satria feno «caméra» eny an-toerana, araka ny fanazavany.
Ra-Nirina



