“Rariny raha hiditra sahady amin’ny hanoanana ny any Atsimo”, hoy ny Solombavambahoaka Masy Goulamaly. Manaitra ny fitondram-panjakana ny tenany fa tafiakatra 8000 Ariary ny iray bidon 20 litatra amin’ny rano ao amin’ny distrikan’i Tsihombe. Voakasikin’ny fiakaran’ny vidin-drano ny ao amin’ny kaominina Marovato sy Anjapaly. Mahatratra hatrany amin’ny 100.000 Ariary ka hatramin’ny 400.000 Ariary ny iray metatra toratelo amin’ny rano hoy izy raha toa ka 415 Ariary iray metatra toratelo amin’ny rano avy amin’ny Jirama ho an’ny eto Antananarivo. Nambarany fa tena maika ny fikarohana vahaolana fohy ezaka satria misy amin’ireo mpnonina no tsy manam-bola hividianana rano ka tsy misotro rano. Ao ireo mividy saingy ho tehirizina ho sotroana. “Izay mahatonga ny kere: tsy misakafo ny olona, ny rano tsy misy. Matahotra aho ho dilan’ny teo aloha ny kere”, hoy izy nanazava antony mety hahatonga ny fiakaran’ny tahan’ny olona ho tratrin’ny hanoanana mahery vaika. Efa nanaitra ny ministeran’ny rano ny Solombavambahoaka manoloana ny zava-misy ao Tsihombe ka nihaona tamin’ny tomponandraikitra voakasik’izany ny tenany androany 17 oktobra 2022.
Ra-Nirina



