Socio-eco

RAHARAHA METM ANTOHOMADINIKA: Nampiaka-peo ny taranaky ny mpitandrina


Nanakiana mafy ny fihetsika nataon’ny komity foibe ny fiangonana Misiona Evanjelika Tera-tany eto Madagasikara (METM) ny taranak’Itompokolahy Rakotobe Andriamaro, mpitandrina tao amin’ny fiangonana METM Zoara Famonjena Antohomadinika. Nambaran’ny solontenan’ireo taranaka nandritra ny valan-dresaka niaraka tamin’ny mpanao gazety ny 21 martsa 2018 fa ny komity foibe ny fiangonana no nangataka ny hanakatonana ny METM Antohomadinika. Tsy nanaraka ny fitsipiky ny fiangonana ihany koa ny komity foibe. Raha tokony ny mpandray fanasan’ny tompo no mametraka ny mpitandrina tiany hiasa ao amin’ny fitandremana, ny komity foibe indray no nanao izany. “Ny mpandray fanasan’ny tompo no maso-mandidy amin’ny fitandremana tsirairay. Rehefa mihoatra ny 80 ny isan’ny mpandray fanasan’ny tompo ao amin’ny fitandremana iray dia afaka mifidy izay mpitandrina tiany hiasa ao aminy ilay fitandremana izy ireo”. Araka ny fanazavana voaray, misy olom-boafidy mpikambana amin’ny komity ny foibe no ambadiky ny fangatahana ny fanakatonana ny fiangonana ary manana tombontsoa amin’ny fikorontanan’ny fiangonana.
Amin’izao vanim-potoanan’ny paska izao, manafatra ny komity foibe ny taranak’i tompokolahy Rakotobe Andriamaro fa mila mangataka famelana noho ny fitoriana nataony an’ny mpitandrina ny fiangonana METM Antohomadinika. Nomarihin’ny dokotera Andriamaro Rakotobe, solontenan’ny taranaka fa resy foana ny komity foibe tamin’ireo fitoriana nataony.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *