Miditra amin’ny andro fahavalo ny lalao iadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja baolina, diviziona voalohany “Pureplay Football League” (PFL). Nanavao ny fiarahamiasa amin’ny fikambanana Clubs de Football Élite de Madagascar (CFEM) ny Startimes ary nanamafy fa mijanona ho diffuseur exclusif ny lalao mandritra ny taom-pilalaovana 2025-2026. Ity televiziona nomerika ity irery izany no mandefa fifaninanana PFL.
Isaky ny faran’ny herinandro, lalao roa mivantana no haseho amin’ny GasyStar (DTT108/DTH 788), ary lalao roa hafa kosa tsy mivantana. Ho an’ireo mbola tsy manana décodeur dia azo jerena amin’ny StarTimes ON, application ofisialin’ny StarTimes ao amin’ny Google Play Store izany. Manomboka amin’ny 15 000 Ariary isam-bolana, afaka manaraka mivantana ny lalao sy fandaharana amin’ny smartphone ny mpanjifa.
Ankoatra izany, misy ny fandaharana manokana ho fanohanana ny PFL sy baolina kitra eto an-toerana, toy ny PFL Show, Une Deux, J-1, izay mandeha ao amin’ny GasyStar hatrany. Ireo fandaharana ireo dia manome famakafakana, mitondra adihevitra sy mampihanoka ny mpijery ny ambadikin’ny fifaninanana.
“Ny baolina kitra no iray amin’ny fanatanjahantena malaza indrindra eto Madagasikara. Amin’ny fanohizana ny fandefasana ny PFL, maniry izahay hanampy amin’ny fampiroboroboana ny baolina kitra malagasy sy hanome tolotra ahafahan’ny mpankafy manaraka ny fifaninanana,” hoy ny StarTimes Madagascar.
Niakatra ho 16 ny ekipa mandray anjara amin’ny PFL raha 12 ny mpifaninana tamin’ny heritaona, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny CFEM. Ny TGBC (Atsinanana), Antimo Record (Atsimo Andrefana), COSPN (Analamanga) ary Clinique Zanatany (Bealanana) no ekipa 4 vaovao. Niala an-daharana kosa ny AS Analamanga, ka 15 ny klioba milalao mandritra PFL. Mizara ho Conférence Nord sy Conférence Sud izy ireo. 12 ny lalao ao amin’ny Conférence Nord sy 14 ao amin’ny Conférence Sud ary samy manao lalao mandroso sy miverina. Ekipa efatra avy amin’ny conférence tsirairay no miatrika ny play-offs, atao amin’ny lalao mandroso sy miverina ihany koa izany mandra-pahatonga any amin’ny famaranana.
Ra-Nirina



