Tsy hita afa-tsy eto Madagasikara ny 20 % ny “primates” manerantany. Ao anatin’izany ireo karazana varika miisa 112, araka ny fanazavan’i Profesora Ratsimbazafy Jonah, mpikaroka momba “primate” na “primatologue”. Mampiantrano ny fihaonambe iraisampirenen’ny “primatologue” ny firenena malagasy izay nanomboka ny 21 ka hatramin’ny 25 jolay 2025, eny amin’ny Novotel Alarobia Ivandry. “Primatologues”, mpikaroka, manam-pahazaina momba ny fiarovana ireo karazajavamananaina sy ny tomponanandraikitra isan-tsokajiny mihoatra ny 600, avy amin’ny firenena 50 no mandray anjara amin’ny kongresin’ny “Société Internationale de la Primatologie” na IPS, andiany faha-30.
“Zavadehibe ho an’ny Madagasikara ny fandraisana ity fihaonambe ity satria mari-pankasitrahana ho antsika amin’ny maha firenena mpiaro ny “primate” antsika. Fanararaotra ho an’ny mpikaroka Malagasy izany ary tsy vitan’ny fizarana ny voka-pikarohana amin’ireo mpikaroka iraisam-pirenena ihany fa fotoana fifampizarana traikefa sy fandrafetana fiarahamiasa. Andao araraotina ny fahafatongavan’ireo vahiny mba hanaovana tetikasa mba hampivoatra”, hoy i Pr Ratsimbazafy Jonah, Filohan’ny IPS. Hisy ihany koa ny fifanankalozana traikefa eo amin’ireo mpikaroka, mpanapa-kevitra sy ireo mpisehatra eny ifotony ary fanamafisana fahaiza-manaon’ireo tanora mpikaroka, mandritra ny dimy andro.
Nambaran’ny Ministry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, Max Fontaine fa manan-danja ny mpikaroka amin’ny fiarovana ny karajavamananaina. “Hanamafy ny asam-pikarohana, manome lanja ny varika ny fandraisan’i Madagasikara ity fihaonamben’ny primatologue ity.
Antony hiarovana ny varika
Ao anatin’ny sokajim-biby “primate” ny varika, ny gidro, ny rajako. Ho an’ny varika manokana dia mitana anjara asa lehibe amin’ny tontolo iainana. Anisany mandray anjara amin’ny fambolen-kazo ny varika satria manaparitaka ny voan’ny hazo. “Misy karazan-kazo mila mandalo amin’ny tsinain’ny varika vao malaky maniry ny fanirian’ilay hazo [toy ny varongy]. Ny hazo ambolentsika amin’ity taona ity ve azo antoka fa ho velona? Mety maniry kely dia maty fa ireo varika ireo 50 tapitrisa taona no hanaovan’izany maimaim-poana. Izay no mahatonga antsika sarotiny satria ireo hazo ala ireo angaha nambolen’olombelona? Ireo biby ireo no namboly an’io”, hoy i Pr Ratsimbazafy Jonah. Ny fahapotehan’ny toeram-ponenany no tsindry lehibe mahazo ireo varika, araka ny fanazavany hatrany.
Nanamafy koa izy fa ireo varika ireo no hahatongavan’ny mpizahantany eto Madagasikara. “Be dia be ny andraikitr’ireo varika ireo. Tsy voatery hikitika ny any amban’ny tany isika raha voakarakarantsika tsara ireo. Izany Costa Rica izany anie ka firenena kely fa efatra miliara dolara no ampidiriny amin’ny resaka fizahantany. Raha resaka primate, tsy manana betsaka noho ny antsika akory ry zareo fa ny an’olona voakarakara tsara, tsara tantana. Mahita ny an’ny Rwanda aho fa ny azy anie ka 14 ny karazana primates fa maninona ny azy no miroborobo? Satria ny azy tsara tantana. Inona no tsy hahavintantsika tahaka ny Rwanda?”.
Ra-Nirina



