Mitety faritany mihitsy ny tobim-pahasalamana misahana ny diabeta. Isan-taona manokana andro hitiliana ny aretina maimaim-poana. Amin’ny maha orinasa miasa amin’ny sehatry ny fahasalamana ny PHARMADIFF, manampy ny vahoaka Malagasy ihany koa izy ireo amin’ny fiadiana ity areti-mandoza ity.
Anterivava: Vonjy RAFALIMANANA, Pharmadiff
Nifarana omaly faha 30 novambra ny iray volana ho an’ny diabeta ka anjaran’Antananarivo renivohitra sy ny manodidina indray no nisitrika fitiliana diabeta tsy misy tambiny. “Vitsy dia vitsy ny olona no manao fitiliana amin’ity aretina ary tsy fantany akory hoe mitondra izany ny tenany. Miteraka fanapaha-tongotra sy tanana ary fahajambana anefa izany raha tsy voatsabo ara-dalana”, hoy ny Talen’ny orinasa PHARMADIFF, Vonjy RAFALIMANANA.
Vokatry ny fanentanana, nitandahatra tokoa ny olona hanao fitiliana omaly.
Anterivava: Haja RAMAMONJISOA, AMADIA
Fiarahana miasan’ny PHARMADIFF amin’ny AMADIA izao hetsika izao. Nambarany fa tsy hijanona eo amin’ny fitiliana ihany ny hetsika fa horaisina an-tanana ireo tratran’ny diabeta.
Nirina R.








