Socio-eco

PAM – FAO : Hihamafy ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika eo anelanelan’ny okotbra 2022 sy janoary 2023


Raha tsy misy ny fandraisana andraikitra, an’hetsiny ny olona ho fatin’ny hanoanana amin’ireo firenena voasokajy ho teboka mamay hanjakan’ny hanoanana » (points chauds de la faim). Mety hihamafy ny tsy fahampian-tsakafo eo anelanelan’ny oktobra 2022 sy janoary 2023 amin’ireo « points chauds de la faim » miisa 19, araka ny tatitra momba ny « points chauds de la faim » nataon’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny sakafo (PAM) sy misahana ny sakafo sy ny fambolena (FAO).  Anatin’ireo firenena ireo i Madagasikara. Noho ny krizy ara-pahasalamana Covid-19, ny rivo-doza nifanesy farany teo, ny tsy fahampian’ny vokatra ary ny  fiantraikan’ny ady misy eo amin’ny Ukraine sy Russie dia nisy fiantraikany  lehibe eo  amin’ny fahefa-mividin’ny mponina sy ny  entana amidy eny an-tsena  izany. Raha ny vinavinan’ny  PAM dia olona miisa  iray tapitrisa sy sivy hetsy (1.900.000) any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara sy Atsimo Atsinanana no hiaina ao anatin’ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika. Ho fanohizana ny fanohanana  ny mponina any Atsimo ataon’ny PAM dia nanolotra vola fanampiny  mitentina roa tapitrisia livres sterling na 2,16 tapitrisa dolara i Royaume Uni. Notanterahana ny 04 oktobra 2022 teny amin’ny biraon’ny PAM Ambatoroka ny fifanaovan-tsonia fanavaozana fiarahamiasa teo amin’ny PAM sy ny Royaume Uni.  Ahafahana manome tohana ara-tsakafo  ho an’olona 100.000 tratrin’ny tsy fahampian-tsakafo  io fanampiana io. Nambaran’i  Ambasadaorin’ny Royaume Uni miasa eto Madagasikara,  David Ashley fa tohin’ny fandraisana anjara efa nataon’ny Royaume Uni izao mba hampihenana ny hanoanana  any Atsimo. « Hitantsika ny fahasamihafana vokatry ny fanampiana ara-tsosialy  ho fampitsaharana ny voka-dratsin’ny haintany. Ny asa natao tamin’ny 2020 sy 2021 dia nahafahana nisoroka ny loza ara-tsakafo tany Atsimo. Ity famatsiam-bola vaovao ity dia ahafahan’ny olona miisa 100.000 mahazo  sakafo tena ilaina mandritra volana roa voalohany amin’ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra », hoy izy. Manana vina hanampy olona marefo miisa iray tapitrisa ny PAM mandritra ny fotoanan’ny maitso ahitra – volana novambra 2022 ka hatramin’ny aprily 2023. Vola mitentina  61 tapitrisa dolara no ilainy hanatanterahana izany.

Ho betsaka ny ho faty

Raha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia olona 970.000 any Afghanistan,  Ethiopie,  Atsimon’i Soudan,  Somalie ary  Yemen no hiatrika ny kere (sokajy fahadimy amin’ny IPC)   ary ho fatin’ny hanoanana na mety ho faty raha tsy misy ny fandraisana andraikitra, araka ny tatitra navoakan’ny PAM sy ny FAO momba ireo firenena ao  anatin’ny lisitrin’ny “teboka mamay amin’ny hanoanana”. Avo folo heny amin’ny tranga nisy tao anatin’ny enin-taona  no hiseho.  Araka ny tatitra isakin’ny telovolana nivoaka tamin’ny volana jona dia tafiditra ao anatin’ny lisitrin’ny  firenena voasokajy ho  “teboka mamay amin’ny hanoanana” tahaka an’i Madagasikara, Zimbabwe sy Sri Lanka  ihany koa i Guatemala, Honduras ary  Malawi. Ny ady no fototra voalohany mahatonga ny hanoanana mahery vaika araka ny famakafakana natao, tahaka ny ady ara-poko any Ethiopie izay hampiakatra ny filàna ara-tsakafo. Eo ihany koa ny loza voanjanahary  toy ny rivo-doza, tondran-drano sy ny haintany  fa indrindra ny lafiny ara-toekarena momba fiakaran’ny vidin’ny sakafo, ny solika sy ny zezika  eo amin’ny tsena  iraisam-pirenena izay mahatonga  fiakaran’ny vidim-piainana sy tsy fahatomombanana ara-toekarena eo amin’ny firenena. Manolonana izany, manao antso avo ny PAM sy ny FAO fa tena laharam-pamehana  ny fanampiana ara-tsosialy ho famonjena ain’olona marobe, hisorohana ny kere, ny fahafatesana ary ny fitotonganana tanteraka  eo amin’ny fivelomanan’ny mponina.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *