Anisan’ireo vehivavy nisitraka fiofanana sy tohana avy amin’ny Orange Madagasikara i Rafarasoa Noeline avy any Mangamila Anjozorobe.
60 taona izy ary zoky indrindra tamin’ireo mpiofana nivoaka tao Maison digitale pour les femmes izay fandaharan’asan’ny Orange Solidarité Madagascar manofana sy manoro hevitra ny vehivavy hampiroborobo ny fidirambola. Ankoatra ny fiofanana arak’asa dia nampianarina momba ny fanabeazana ara-bola (éducation financière), fampivoarana ny maha olona (développement personnel) sy “informatique bureautique” ireo vehivavy misitraka ity fandaharan’asa ity. Vehivavy 109 no notolorana fanamarinam-pahavitam-piofanana nandritra ny fankalazana ny faha -10 taona nanoloran’ny Orange tena hanohana ny vehivavy, ny 19 martsa 2026, teny amin’ny zaridainan’Andohalo. Anisan’ireo nahazo izany Rafarasoa Noeline. “Tsy voafetran’ny taona ny fivoarana. Fiofanana momba fiompiana kisoa, zaitra, rary no natao. Nahazo renin-kisoa avy eo dia iny no nampitomboina. Nanatsara ny fidiram-bolako izany”, hoy izy. Vehivavy avy ao amin’ny “Maisons digitales” tantanin’ny kaominina Antananarivo renivohitra ny 68 tamin’ireo nahazo mari-pahavitam-piofanana. Vehivavy manana fahasembanana ampian’ny ONG Merci ny 40 ambiny.
Mahaleo tena ara-bola
Ankoatra izany, notolorana mari-pankasitrahana ireo vehivavy “mitondra fanovàna” na ireo vehivavy nisongadina tao anatin’ny 10 taona nanaovan’ny Orange asa soa. Ao anatin’izany ireo mpampiofana mpilatsaka antsitra-po, ireo vehivavy nanolontena anatina fikambanana sy ireo lehilahy miisa fito (07) manohana mavitrika ny vehivavy. Nomena lanja tamin’io fotoana io ihany koa ireo vehivavy niara-niasa tamin’ny Orange tamin’ny lafiny ara-kolontsaina, fanabeazana sy fahasalamana, toy an’i Michèle Rakotoson, mpanoratra ary mpandresy tamin’ny fifaninanana Prix Orange du Livre en Afrique 2023, Hary Rabary, mpitsabo (médecin gynécologue) sy nanoratra ny boky #Zakoa, ireo mpampianatra sy tomponandraikitra amin’ny sekoly nomerika ary ireo tomponandraikitry ny Maisons digitales izay mpisehatra fototra manohana ny andavanandron’ny vehivavy.
“Aza adino fa matoa mandroso ny firenena iray, dia mipetraka amin’ny maha izy azy eo amin’ny fiarahamonina ny vehivavy”, hoy i Benja Arson, Filohan’ny Orange Solidarité Madagascar. Nambarany fa afaka mahaleo tena ireo vehivavy nivoaka tao amin’ny Maisons digitales satria nomena tohana izy ireo hanosehana ny tetikasa antsangany. Mitondra fiovana sy fivelarana ho azy ireo ihany koa ny fiofanana nomena azy ireo toy ny nomerika sy informatika.
Nampahafantarina ny 19 martsa 2026 ihany koa ny tetikasa Mivoatra. Maisons digitales 20 no hisitraka ity fandaharan’asa fampiofanana mandritra ny enim-bolana ity. Tafiditra ao anatin’ ny fiofanana omena ny fampivoarana ny maha olona, ny fikirakirana ny nomerika, ny fanabeazana ara-bola sy fandraharahana madinika. Fanampin’izay dia hisy ny fananganana vondrona misahana tahirim-bola sy fampindramam-bola ho an’ny vondrom-piarahamonina (groupement d’épargne et de crédit) mba ahafahan’ny vehivavy mitahiry vola sy mifampindram-bola hanombohana tetikasa. Hivelatra amin’ireo Maisons digitales 45 ny tetikasa aoriana kely, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra.
Ra-Nirina



