Samy hahazo ny anjarany na ny tanora na ny vehivavy na ny ankizy. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 11 desambra 2021 ny “i-votika” ao Antsirabe. Nanatrika ny lanonam-pitokanana ny Prezidan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Ivon-toerana natsangan’ny faritra Vakinankaratra niarahana niasa tamin’ny Orange Solidarité de Madagascar ny “i-votika”. Ivon-toerana nomerika, tantanin’ny sampandraharaham-panjakana izy ity ho sehatra hifanankalozana, hanaovana fiofanana sy ho fanajariana ny tany. Ho fampandrosoana ny sosialy sy toekarena ny faritra Vakinankaratra amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao no antony nanangana azy. Noho ny fiarahamiasa amin’ny fikambanana Orange Solidarité, fandaharan’asa 3, ny « FabLab Solidaire », ny « Maison digitale pour les femmes » ary ny #supercodeurs no ho tanterahana ao anatin’ny i-votika. “Hitondra fampandrosoana ho an’ny tanànan’Antsirabe indrindra ny fahalalana ho an’ny tanora, ny vehivavy ary ny faritra Vakinankaratra amin’ny ankapobeny ity ivon-toerana ity”, hoy ny Prezidan’ny Repoblika. Nambaran’ny Tale jeneralin’ny Orange Madagasikara, Frédéric Debord fa « ao amin’ny Orange, mandray andraikitra izahay mba ho fampandrosoana ny rehetra ny nomerika. Manome tohana izahay amin’ireo tetikasa mamaly ny fampananan’asa amin’ny alalan’ny fanabeazana sy ny fandraharahana”.
Tetikasa efa tanterahin’ny Orange Solidarité eto Madagasikara ny FabLab Solidaire. Natao ho an’ny tanora ahafahana mamolavola tetikasa nomerika amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana manaraka ny teknolojia toy ny « imprimante 3 D », ny « fraiseuses numériques », ny « découpeuses laser »,ary ny « scanner » izy ity. Mitentina 70.000 euros ny tetibola ampiasaina amin’ny fampitaovana ny FabLab Solidaire ao amin’ny i-votika Antsirabe. Karazana fiofanana roa no omena ireo tanora : ny fampahafantarana amin’ny ankapobeny, atao ao anatin’ny tapak’andro ary ny dingana lavitr’ezaka, mandritra ny 7 herinandro. Tanora 1000 isan-taona no hahazo tombony amin’izany. Efa nisy tao Antsirabe nanomboka ny taona 2019 ny « Maison digitale pour les femmes » fa nafindra tao amin’ny i-votika. Ho fampanan’asa ny vehivavy amin’ny alalan’ny fifehezana ny fitaovana nomerika kosa no antom-pisian’ny « Maison digitale pour les femmes ». Nanomboka ny taona 2015, « maisons digitales pour les femmes » 37 no natsangana manerana an’i Madagasikara. Ankoatra izany, noho ny fisian’ny i-votika ao Antsirabe dia hahazo fiofanana momba ny “codage informatique ireo ankizy 9 ka hatramin’ny 13 taona. Afaka mamorona rindram-baiko izy ireo aorian’ny fampianarana. Isaky ny alarobia sy sabotsy fampiofanana.
Ra-Nirina



