Socio-eco

ORANGE ESPORT EXPERIENCE : Rayan Mamitiana, hisolo tena an’i Madagasikara any Egypte


Nikarakara lalao momba ny « jeu vidéo » PES 2019 ny Orange Esport Experience amin’ireo firenena misy ny orinasa Orange.  Handray anjara amin’ny lalao famaranana atao any Egypte, ny  17 sy ny 18 jolay 2019 ireo mpandresy  tamin’ny fifaninanana PES 2019 isaky ny firenena. Rayan Mamitiana Herilanto  Ralainaivo, avy eto Antananarivo no tompondakan’i Madagasikara tamin’ny lalao famaranana nokarakarain’ny Orange Madagasikara sy ny Mass’In rehefa avy nifaninana tamin’i Nomena , avy any Toamasina, ny sabotsy 15 jona 2019 lasa teo, teny amin’ny Arena Ivandry. Ao anatin’ny fanamarihana CAN 2019 ny Orange Esport Experience ka fivahinianana any Egypte, tapakila ahafahana mijery lalao iadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny baolina kitra (CAN 2019), vola mitentina iray tapitrisa Ariary ny loka azon’i Rayan  Mamitiana.

Tao anatin’ny roa taona izay ny orinasa Orange Madagasikara  no nifanerasera tamin’ireo tanora, mpankafy “jeu vidéo” tamin’ny alalan’ny fifaninanana maro isan-karazany sy tao amin’ny tambazotran-tserasera sosialy. Miara-miasa akaiky amin’ireo vondrona mpilalao « jeu vidéo », Football Gamers of Madagascar sy Madagascar Fighting Game ihany koa ny orinasa. Raha ny fantatra dia miara-miasa amin’ireo manana tetikasa (start-up), mpisehatra amin’ny  tranokala (web) ny Orange mba ho fanatsarana  ny tontolon’ny « jeu vidéo » eto Madagasikara.

Nirina R.       


One comment on “ORANGE ESPORT EXPERIENCE : Rayan Mamitiana, hisolo tena an’i Madagasikara any Egypte

  1. Pingback: ORANGE ESPORT EXPERIENCE : Rayan Mamitiana, hisolo tena an’i Madagasikara any Egypte - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *