Socio-eco

Oniversite HECMMA: Sady mamoaka olona mahay no mahatoky


“Mila olona azo antoka ny orinasa sy ny firenena. Mila olon’ny fahamarinana sy mahay mandresy lahatra ny firenena mba tsy hanjaka ny fivarotana tanindrazana”, hoy ny filohan’ny oniversite HECMMA, profesora Rakotonirina Solonjatovo. Namoaka mpianatra hamerina ny soatoavina fototra indray ny oniversite « Hautes Etudes Chrétiennes de Management et Mathématiques Appliqués »na HECMMA. Mpianatra miisa valo nahazo ny diplaoma VAE (Validation des Acquis de l’Expérience), 24 nahavita ny dingana Master II (BAC + 5), 35 nahazo ny diplaoma Licence ary 39 nahazo ny diplaoma BAC+2. Misandrahaka amin’ny lalam-piofanana « Bâtiment et Travaux Publics » (BTP), « Aménagement du Territoire », « Management et Sciences Economiques », « Télécommunication Informatique et Electronique » izy ireo. Notontosaina ny 23 novambra 2018 teny amin’ny PK 0 Antanimena ny lanonana ofisialy namoahana ireto andiany ireto. Nankalazaina tamin’io fotoana io ihany koa ny faha-21 taona nijoroan’ny oniversite.

Maha olona

Nambaran’i Profesora Rakotonirina Solonjatovo fa tao anatin’izay nitsanganan’ny repoblika malagasy izay dia tsy nitsaha-nitombo ny isan’ny nahazo diplaoma saingy nihena ny kalitaon’ny fampianarana. Betsaka ny olona manam-pahaizana fa tsy manaja ny maha olona. Izany indrindra no antom-pisian’ny oniversite HECMMA mba hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena tokoa ny fampianarana ambony. Nilaza ny filohan’ny HECMMA fa miainga amin’ny ambaratonga ambony ny famongorana ny kolikoly. Teboka roa no mampiavaka ny HECMMA amin’ny oniversite hafa. Anisany mampiavaka azy ny famerenana ny soatoavina fototra dia ny fahamarinana, ny fahendrena ary ny fitiavan-tanindrazana. Efa 500 izay ny injeniera nivoaka tao amin’ny HECMMA. Mila olona mahay sy mahatoky ny orinasa ka ny 100 tamin’ireo lasa niasa any Comores, ny sasany nanangana orinasa any Frantsa sy Canada. Teboka faharoa mampiavaka ny HECMMA ny famolavolana ny mpianatra hahay hifehy ny lalam-piofanana rantoviny sy ny fahaiza-mitantana (leadership). Vokatra azo tsapain-tanana ny hetsika isan-karazany karakarain’ny “Mada jeune”. Maintimolaly tao amin’ny HECMMA nianatra momba ny BTP ny tomponandraikitry ny Mada jeune. Tsy iza izany fa i Lahatra Andriamahatsangy.

Lynda A.

Horonan-tsary


2 comments on “Oniversite HECMMA: Sady mamoaka olona mahay no mahatoky

  1. Pingback: Oniversite HECMMA: Sady mamoaka olona mahay no mahatoky - ewa.mg

  2. Miradji

    Bonjour

    Merci pour les effort utilisé pour l’évolution de l’HECMMA.
    Pour nous les ingénieur en MSE, on a pas toujours l’homologation de nos diplôme, ce qui nous freine d’évoluer.
    Merci de régler dans un délais plus bref.

    .

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *