Nanolotra fanomezana ho mari-pahatsiarovana noho ny fiarahamiasa tamin’ny OMS ny Ministeran’ny Fahalasalamam-bahoaka ny alatsinainy 08 janoary 2018 nandritra ny fitsidihan’ny Tale Jeneraly Tedros Adhanom .
Hanohana hatrany ny firenena Malagasy ny Firaisambem-pirenena ho an’ny fahasalamana (OMS) amin’ny ady atao amin’ny valan’aretina pesta. Mbola tafiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny pesta isika izao ary tsy hifarana izany raha tsy amin’ny volana aprily 2018. Nandritra ny fivahinian’ny Tale Jeneralin’ny OMS, Tedros Adhanom teto Madagasikara, nilaza izy fa hitohy ny fiaraha-miasa eo amin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka iadiana ity aretina mahafaty ity. “Hihamafy kokoa ny fandraisana ireo fepetra amin’izay mety hisian’ny trangana pesta indray”, hoy ny Tale-paritry ny OMS ho an’i Afrika, Dr Matshidiso Moeti. Mila vola mitentina 4 tapitrisa dolara ny OMS hiatrehana izany.
Nirina R.



