Manoloana ny vaovao tsy marina na « fake news » nimparitaka amin’ny tambanjotra sosialy dia manitsy ny zava-nisy ny MVOLA. Ny tsy fahafahana niditra amn’ny MVOLA dia noho ny olana ara-teknika vokatry ny fanavaozana ireo rafitra. Tsy misy fifandraisana amin’ny olona na zava-mitranga ivelan’ny orinasa. Ireo ekipan’ny MVOLA dia niasa andro aman’alina namerenana amin’ny laoniny ny fahafahana miditra amin’ireo tolotra.
Ny MVOLA dia manamafy fa manaramaso akaiky ireo vaovao mahakasika azy sy ny ekipany ary handray fepetra raha misy ny fampielezam-baovao diso na « fake news ».
Ekipan’ny MVOLA



