Socio-eco

MVOLA : Mifantoka amin’ny asa maharitra ho an’ny fiarovana ny tontolo iainana


Mampiasa teknika sy fomba maharitra ny Mvola amin’ny fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Ny asa rehetra momba ny fanarenana ny ala, ny fambolen-kazo ataon’ny orinasa dia iarahana amin’ny mponina eny ifotony. Miara-miasa amin’ny Alterra, orinasa ao anatin’ny vondrona Axian, misehatra amin’ny fambolen-kazo, fanarenana ny ala sy fiarovana ny kara-javamanaina eto Madagasikara izy amin’ny fanatanterahana izany.

Nanomboka ny taona 2022 ka hatramin’ny 2025, zanakazo miisa 37 500 no voavoly ary mbola mitohy izany. Ho an’ny taona 2026, namboly hazo 15 000 fanampiny ny orinasa, nanao asa famerenana amin’ny laoniny ny ala tamina velarantany 13,6 hektara izay vinavinaina fa mitroka entona karbôna milanja 2 468 taonina ao anatin’ny 10 taona. Manana vina hamboly hazo miisa 120 000 ny orinasa hatramin’ny 2030.

Isaky ny fambolen-kazo dia asa maro no atao: famokarana zanakazo eny amin’ny toerana hanaovana fambolen-kazo, fanajariana ny tany, fanarahamaso ny taham-pahaveloman’ny zanakazo, fisafidianana karazan-kazo mifanaraka amin’ny zava-misy  toetrandro ao an-toerana, fikojakojana  isan-taona ny hazo ary ny fiarovana ny toerana voavoly hazo.

« Ity fomba fiasa ity dia miantoka ny faharetan’ny fambolen-kazo sy ny fandraisana anjara tena izy amin’ny fanarenana ny tontolo iainana. Na izany aza, mbola misy loza atrehana toy ny fandripahana ala, fanaovana saribao, sy ny tavy », araka ny fanambarana nataon’ny orinasa.

Manoloana izany, manampy amin’ny famantarana ny afo, ny fanentanana sy ny fampitaovana ny fiarahamonina ny Alterra mba hiaro tsara kokoa ny tontolo iainana.

 Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *