“Mampanontany tena ny tsy fanarahan-dalàna momba ny raharaha Mbola Joseph Rajaonah”, hoy ny mpisolovavany, Eric Rafidison. Fifandrifian-javatra ve fa rehefa nandeha ny siosio-dresaka fa hisy ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena dia nipoitra ity raharaha ity? Misy ambadika politika ve izany? Raha marina izany dia iza ireo ratsa-mangaika mampiasa ny Bianco ho amin’ny tombontsoa manokana ? Raha marina izany dia aiza ho aiza ny tsy fitongilanan’ny fitantanan-draharaham-panjakana? Ireo no fanontaniana napetraky ny mpisolavavan’i Mbola Rajaonah nandritra ny vala-dresaka ho amin’ny mpanao gazety ny 7 desambra 2018.
Nohazavain’ity mpisolovava ity fa vao nanomboka ny raharaha Mbola Rajaonah dia efa nisy tsy fanarahan-dalàna. Mbola tsy tonga teny am-pelantanan’ny tompon-draharaha akory ny taratasim-panjakana mandrara ny olona arovany tsy hivoaka ny sisin-tany, efa niparitaka tao amin’ny tambazotran-tserasera “facebook” ny taratasy mirakitra izany. Ankoatra izany, taratasy avy any amin’ny BIANCO no nahafahan’ny ministeran’ny atitany namoaka io fanapahan-kevitra io ny 13 novambra 2018. Ny 17 septambra 2018 no nivoaka ny taratasy avy any amin’ny Bianco. “Mampanontany tena ihany koa izany satria avy eny Ambohibao mankeny Anosy, iray volana aty aoriana vao namoaka ny IST ny ministera”. Nahazo rariny teny amin’ny fitsarana ny ady hifanaovana amin’ny fanjakana olona narovan’i Eric Rafidison ka natsahatra io fanapahan-kevitry ny ministera io. Tsy nijanona teo ny raharaha fa misy fampiantsoana ataon’ny Bianco saika isan’andro. Manginy fotsiny ny fisavàna ny trano sy ny “coffre fort”-n’ny voapanga. Ohatra nahitàna tsy fanarahan-dalàna ihany koa ny famotorana natao an’i Mbola Rajaonah teny amin’ny Bianco ny 19 novambra raha ny fitantaran’ny mpisolovava azy. Nanazava ity farany fa tsy azo ataon’ny “police judiciaire” ny manao famotorana ny voapanga fa tsy maintsy mpitsara. Tsy izany no nitranga tamin’io fotoana io fa “ny mpanao famotorana tao amin’ny Bianco no nanadihady ny olona narovako”. Mbola mitohy ny raharaha ka ny 12 desambra 2018 indray ny fiantsoana manaraka an’i Mbola Rajaonah eny Ambohibao.
Nirina R.




Pingback: MPISOLOVAVA AN’I MBOLA RAJAONAH: Tsy voahaja ny tsiambaratelo ny fanadihadiana - ewa.mg