Rano tapaka, tsy fahampian-tsakafo any Atsimo… santionanany amin’ireo zo fototra tsy voahaja eto Madagasikara satria ao anatin’ny zon’olombelona fahazoana rano, sakafo, araka ny fanazavan’ny mpiaro zon’olombelona…Nampatsiahy sy manaitra ny mpitondra fanjakana ireo fikambanana maro misehatra amin’ny fiarovana ny zon’olombelona eto Madagasikara nandritra ny andro iraisapirenena ho an’ny zon’olombelona, ny 10 desambra 2021 fa « miteraka fahantrana ny tsy fanajana ny zon’olombelona » ary « rehefa misy ny fahantrana dia tsy voahaja ny zon’olombelona ». « Ny zo fototra ao anatin’ny lalam-panorenena dia tsy misy voahaja eto amintsika ka hanentanana ny mpitondra fanjakana fa aza variana amin’ny politika fa zo ara-ekonokomika sosialy sy ara-kolotoralin’ny olombelona no tena fototra satria ny olona mila misakafo, mitafy, manana trano ara-dalà na manaja ny fahamendrehana », hoy i Andrianady Bakoly, filohan’ny fikambanana « vie neuve ».
Nankato sy nanasonia ny fifanarahana iraisampirenena momba ny zon’olombelona i Madagasikara. « Manana andraikitra hanatanteraka izany ny fitondram-panjakana », hoy Rakotomanga Herimahefantsoa, filoham-boninahitry « mouvement chrétien des cadres professionnels ». Voafaritry ny andininy faha-6 momba ny zo sivily sy politika ao anatin’io fifanarahana io ny zo hiaina. « sampana maro no resahana ao, toy ny tsy fisian’asa. Rehefa tsy miasa dia tsy afaka misakafo, tsy afaka miasa rehefa tsy misakafo, tsy afaka mitsabo tena rehefa tsy manana asa. Taorian’ny covid-19 nefa betsaka ny very asa. Tsy fantatra hoe ahoana no hanampiana ireo very asa. Mangataka fanjakana hametraka lamina, amin’ny fomba haingana fa efa betsaka no tsy misakafo, tsy afaka manao ny fiainana andavanandro manokana », hoy i Shariff Bonnie, filohan’ny ONG ODIMA. Nambarany ao anatin’ny zo fototra ihany koa ny kalitaon’ny fanabeazana. « Tokony ho jerena izany satria rehefa ratsy ny kalitaon’ny fampianarana dia tsy afaka mandinika lavitra ny olona, tsy afaka mifaninana amin’ny firenena hafa satria izay fahaizana izay no tsy hananany. Voatery mionona amin’ny  fanomezana vonjy tavan’andro, PPN. Tsy hoe ratsy izany fa mila mijery vahaolana maharitra », hoy izy.
Ra-Nirina



