Actus

Mihantsy ady amin’ny Antandroy ny fanjakana.


“Tandroy izay velona, ampy izay ny fialana nenina, handray fanapaha-kevitra izahay”. Niaka-peo ireo havan’i Mandignisoa, maty voatifitry ny mpitandro filaminana tao amin’ny toeram-pitrandrahana Ankaraoka, Kaominina Marotsopoy, Toliara. Mbola tsy hita ny fatiny hatramin’izao ary mitaky izany ireo havany.

“Tsy manaiky intsony izahay fa omeo ny zanakay fa raha ady no tadiavin’ny fanjakana dia vonona izahay” hoy Tomasy TSIMIONDRA, rahalahin-drain’ilay maty, niaraka tamin’ny feo mahery sady niaka-pofona. “Mihantsy ady amin’ny foko Antandroy ny fanjakana”, hoy izy.

AUDIO: Tomasy TSIMIONDRA

AUDIO : Jean Yrmand

Araka ny fantatra talohan’izao zava-nitranga izao, nitory an’ny tompon’ilay tany, Alphonse RANDRIANARIMIADANARIVO, i Jean Yrmand, rahalahin’ilay maty no sady manofa ny toeram-pitrandrahana. Nandresy Atoa Yrmand tamin’izany sady nodidian’ny fitsarana handoa onitra 50.000. 000 Ariary ilay tompon-tany.Taorian’io dia nitory indray ity farany ary nandresy izy tamin’izany. Nivoaka ny didim-pitsarana fa afaka mitrandraka ao hatramin’ny 09 Martsa 2016 ireo mpitrandraka.

“Kanjo nisy vadintany nitondra “ordonnance” hafa indray izay nifanohitra tamin’ny didim-pitsarana teo aloha tonga teny amin’ny toeram-pitrandrahana ny 21 febroary 2016. Niaraka tamin’ny mpitandro filaminana maromaro io vadintany io hanatanteraka ny didy. Nanome fehim-potoana 15 minitra izy ireo ialan’ireo mpitrandraka ary lasa nandeha avy eo. Tampoka teo, nisy poa-basy nirefotra, samy nanavotra ny ainy ny rehetra. Tao anatin’izany no naha voatifitra an’i Mandignisoa , araka ny fanambaran’ i Tognisoa izay teo akaikiny ary manaporofo fa feno ra ny lamosiny.

AUDIO: Tognisoa

Raha niverina nitady an’i Mandignisoa teny an-toerana ny havany ny ampitso maraina dia tsy navelan’ireo mpitandro filaminana fa faritra mena tsy azo aleha intsony manodidina ny 200m miala amin’ny toeram-pitrandrahana.”Mbola tsy hita popoka ny fatin’ny havanay hatramin’izao”.

Manao antso avo amin’ny foko 17 ny fianakavian’ny maty hanampy azy ireo manoloana ny tsindry hazo lena mahazo azy ireo izao.

Nomarihan’i Yrmand fa tonga niaraka tamin’ny vadintany sy ireo mpitandro filaminana ihany koa i Mathieu, zanakin’ny Filoham-pirenena .

Nirina R.

Zava-nitranaga tany an-toerana


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *