Socio-eco

Manohana ny BNGRC ny Orange Madagascar ary manampy ireo traboina


Antananarivo – Manamafy hatrany ny fiaraha-miasany amin’ny Fanjakana malagasy ny Orange Madagascar amin’ny alalan’ny fanohanana ny Birao Nasionaly misahana ny Fitantanana ny Loza sy ny Tandindon-doza (BNGRC), miaraka amin’ny Ministeran’ny Fampandrosoana ny Haitao Nomerika, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra (MNDPT), izay ministera mpiahy.

Nitondra ny anjara birikiny ny Orange Madagascar ho fandraisana anjara amin’ny fihatrehana ny loza sahanin’ny BNGRC. Nanolotra « domino connectés » mandritra ny telo volana izy ireo notarihin’ny Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar, Aminata Ndiaye, sy ny Filohan’ny Orange Solidarité Madagascar, Benja Arson, ho fanampin’ireo tablettes miisa telopolo efa natolotry ny ministera. Ireo fitaovana ara-teknolojia ireo dia hanampy amin’ny fandraisana andraikitra haingana eny an-kianja, fanatsarana ny fandrindrana ny ekipan’ny vonjy taitra, fanangonana antontan-kevitra azo antoka ary fifampizaràna vaovao ara-potoana. Mifanaraka amin’ny politikan’ny Fanjakana sy ny MNDPT ity hetsika ity

Fanohanana ara-tsosialy ho an’ireo fianakaviana traboina

Satria mino ny Orange Madagascar fa tsy maintsy miara-dalana amin’ny maha-olona ny teknolojia, dia nanararaotra izany fotoana izany ihany koa ny orinasa hanomezana fanampiana mivantana ho an’ireo fianakaviana traboina. Tamin’ny alalan’ny Orange Solidarité, dia nanolotra vary 15 taonina, legioma maina 3 taonina, ary savony sy labozia  ho famaliana ireo filàna fototra ateraky ny voina.

Maneho ny andraikiny ara-tsosialy ny Orange Madagascar amin’ny fametrahana ny fanavaozana ara-teknolojia ho tombontsoan’ny besinimaro sy ny andrim-panjakana, sady mihetsika amim-pitandremana, fanajana ary andraikitra manoloana ireo fiarahamonina marefo.

Mbola hisy hetsika hafa hanamafisana bebe kokoa izany fanoloran-tena izany ho fanohanana ireo vondrom-piarahamonina voakasiky ny loza.

Notanterahina tao amin’ny foiben’ny BNGRC ao Antanimora ny lanonana fanolorana, niarahan’ny Talen’ny Kabinetra ao amin’ny MNDPT, Njivatiana Rakotoarivonona, sy ny Tale Jeneraly Lefitry ny BNGRC, John Heriniandry Razafimandimby

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *