Socio-eco

MADA JEUNE: Mbola mitohy rahampitso 17 martsa 2022 ny « salon des études internationales »


Vao nisokatra ny « salon des études internationales »,  ny 16 martsa 2022 dia efa maro ireo tanora nitsidika ireo trano eva. Natao ampahafantarana ny mpianatra Malagasy te handranto fianarana any ivelany ity hetsika karakarain’ny Mada Jeune ity. Nitombo ny mpandray anjara tamin’ity andiany faha-12. Tafakatra 30 ny oniversite, ny ivon-toeram-pampiofanana momba ny teny vahiny, ny ivon-toerana manoro ny mpianatra te hianatra any ivelany manana trano heva eny amin’ny Akoor Digue Andohatapenaka. Hahazo tombony ny mpitsidika satria dia hazavaina eny an-toerana avokoa ny lalam-piofanana sy ny asa mifandraika amin’izany, ny antontan-taratasy ilaina, ny vola lany… Eo ihany koa ny fiomanana mialohan’ny fandehanana toy ny fianarana ny teny vahiny. Tsara ny mampatsiahy fa hifarana rahampitso 17 martsa 2022 ny hetsika.

Nambaran’ny mpikarakara, Andriamahatsangy Lahatra fa fotoana iray ahafahan’ny tanora Malagasy mahafantatra bebe kokoa ny tokony atao raha te hianatra any ivelany toy ny any Etazonia, Frantsa, Maorisy, Chine, Inde, Allemagne, Côte d’Ivoire sy ny maro tsy voatanisa ny « salon des études internationales ». Mampiavaka ny salon ny fahazoana diplaoma iraisam-pirenena kanefa mijanona eto Madagasikara ihany no mianatra. Ho fanampin’izany, rehefa avy mitsidika ny trano heva ireo mpianatra dia mbola afaka manatrika ny famelabelaran-kevitra hiresahana lohahevitra toy ny fomba hitadiavana asa, ny asa manodidina ny siansa sy ny teknolojia, ny dingana arahina raha hianatra any Etazonia… Marihina fa 2 000 Ariary ny fidirana amin’ny « salon des études internationales ».

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *