Socio-eco

LEFAKOZATRA : Fiarovana mahomby ny vakisiny


MANANTENASOA Ralphine, renim-pianakiaviana

MANANTENASOA Ralphine, renim-pianakiaviana

« Tamin’izaho roa taona no voan’ny polio raha ny fitantaran’ny ray aman-dreniko », hoy  i MANANTENASOA Ralphine, renim-pianakiaviana manana fahasembanana noho ny aretin’ny lefakozatra.  Salama tsara izy tami’ny teraka saingy tratry ny lefakozatra ity ny taona 1954. Nalemy ny tongony havia vokatr’izany. Mampiasa ny seza misy kodiarana  izy ahafahany mivezivezy.

Aretina avy amin’ny tsimokaretina antsoina hoe « poliovirus » ny lefakozatra na poliomyélite na polio. Areti-mandoza miteraka fahalemen’ny hozatra na mahafaty mihitsy izy ity. Mifindra amin’ny alalan’ny loto avy amin’ny tay izay miditra any am-bava ny mahatonga ny aretina, rehefa mihinana sakafo na misotro rano tratran’ny maloto avy amin’ny olona mitondra ny tsimokaretina ny olona salama. Tsy mbola  misy fanafody hanasitranana ny polio fa ny fanaovana vaksiny no fomba mahomby isorohana azy.

« Vokatry ny polio dia nisy ny déformation  tamin’ny tongotra havia. Nisy ny fandidiana tsy maintsy natao ho fanitsiana io fahavoazana tamin’ny tongotra io. Tsy fitsaboana ny tao amin’ny Centre de Rééducation Motrice de Madagascar (CRMM) Antsirabe fa fanazarana ny hetsika amin’ny vatana no natao », hoy i Ralphine

Raha tsy maty dia mitondra takaitra 

Dr RAKOTOARIVONY Manitra, mpitsabo

Dr RAKOTOARIVONY Manitra, mpitsabo

Efa ela no nisy ny aretina poliomyélite teto Madagasikara. « Io no mahatonga antsika manao vaksiny matetika satria misy karazana aretina ilaina vaksiny », hoy i Dr RAKOTOARIVONY Manitra, mpitsabo. Mandeha amin’ny fivalanana na tay ny tsimok’aretina. « Raha tadidinareo nisy fotoana teto Madagasikara ny ady tamin’ny tay miparitaka. Ny ao ambadik’iny dia ady amin’ny poliomyélite. Miparitaka amin’ny alalan’ny tay ny tsimokaretina  poliomyélite ka mety lasa tsinahy any am-bava », hoy izy.

Mety mahavoa ny olona rehetra ny aretin’ny lefakozatra ary ny ankizy latsaky ny dimy taona no betsaka voa. Tsy mbola misy fitsaboana manasitrana tanteraka azy. Azo sorohana tsara anefa io aretina io amin’ny alalan’ny fanaovana vaksiny. « Sisa-paty sisa ireny hitantsika malemy mandehandeha ireny fa ny ankabeazan’ny poliomyélite dia mamono. Ny an-kamaroany mba tsy hitenenako hoe 90% na 95% na 99% tratry ny poliomyélite, indrindra  ny tratra no voa dia tsy afa- miaina dia maty iny olona iny », hoy hatrany i Dr Manitra.

Fandraisana an-tanana miompana amin’ny fampitoniana ny vatana tratry ny aretina ny atao amin’ny olona voan’ny polio. Ho an’ny Ralphine, ny fitsaboana dia nifantoka tamin’ny fampitoniana sy fanalefahana ny tongony voan’ilay aretina mba hahafahany miaina tsara kokoa isan’andro. « Nentin’ny ray aman-dreniko tao amin’ny institut d’hygiène social izaho rehefa voan’ny aretina polio. Tsy tsaroako ny natao ahy  satria mbola roa taona tamin’izany.  Raha ny fitantaran’izy ireo dia tsy nandeha araka  ny nandrasan’izy ireo ny fitsaboana natao tamiko ka nifindra toeram-pitsaboana hafa, tany amin’ny « Centre de Rééducation Motrice de Madagascar » tany Antsirabe », hoy izy. Rehefa tonga tao amin’ny CRMM izy dia nahatsapa fa tanora ny ankamaroan’ny voan’ny lefakozatra sady voa mafy noho ny nahazo azy ny an’izy ireo. Tao no nandady, araka ny fitantarany.

Tokana ny fiarovana amin’ny lefakozatra

TOVONTSOA Spiritia, rasazy ao amin’ny Marie Stopes Madagascar etsy Avaradoha

TOVONTSOA Spiritia, rasazy ao amin’ny Marie Stopes Madagascar etsy Avaradoha

Tsy misy afa-tsy fanaovana vaksiny ihany no fiarovana amin’ny aretin’ny lefakozatra. Mamaim-poana ny fanaovana vaksin’ny polio. Afaka atao any amin’ny tobim-pahasalamana miankina amin’ny fanjakana na eny amin’ny tsy miankina izay mahazo ny vaksiny avy amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka.

Toy izao ny fanaovana izany ho an’ny zaza vao teraka araka ny fanazavan’i TOVONTSOA Spiritia, rasazy ao amin’ny Marie Stopes Madagascar etsy Avaradoha. “Misy karazany roa ny fomba fanaovana vaksin’ny polio. Vaksiny am-bava sy atsindrona. Misy an-diany efatra ny atao am-bava. Vao teraka ny zaza hatramin’ny 14 andro dia manao ny vaksin’ny polio zéro. Manao ny polio 1 rehefa feno iray volana sy tapany. Atao famerenana na « rappel » rehefa roa (02) volana sy tapany atao hoe polio 2 ary misy famerenana faha-efatra (polio 3) ny zaza rehefa feno telo volana sy tapany. Rehefa tonga eo amin’io polio 3 io no manao ilay vaksin’ny polio antsindrona voalohany atao hoe VPI ary amin’ny fahasivy volana no manao ny vaksiny tsindrona faharoa”,hoy rasazy Spiritia .

Tombony amin’izao fotoana izao ny fisian’ny vaksiny atao maimaim-poana, hoy Ralphine. “Tamin’ny andronay vidiana lafobe ny vaksiny ka nahatonga ahy ho voan’ny voan’ny polio. Na dia ny manindrona aza handoavam-bola. Mety misy ihany ny mahatakatra ny vaksiny fa saingy tsy mahafantatra. Tsy misy ny fanantenana amin’ny tokony hanaovana vaksin’ny polio tamin’izany”, araka ny fanazavany.

Ny fanaovana vaksiny lefakozatra dia fomba tsara indrindra hiarovana ny vatana amin’ny fahasembanana sy ny loza ateraky ny aretina ka tsy tokony tsinotsiniavina sy hadino ny fanaovana azy. Manentana ny ray aman-dreny rehetra i Ralphine mba hanao vaksiny ny zanany.

Nambaran’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana na OMS fa tapitra ny valanaretina lefakozatra teto Madagasikara ny volana mey 2025. Ny volana septambra 2023 no nahitana olona voan’ny lefakozatra ka nahatonga ny fanjakana malagasy nanao vaksiny faobe in-efatra miantaona tao anatin’io taona io. Miisa 287 ny voamarina fa voan’ny aretina lefakozatra. 45 amin’ireo nalemy hozatra (paralyse flasque aiguë). 44 hita teny amin’ny fiarahamonina ary 198 voamarina nitondra ny otrik’aretina. Notohanan’ny mpiara-miombon’antoka, toy ny GAVI, UNICEF, OMS, Rotary International ary ny Fondation Bill et Melinda Gates ny hetsika fanaovam-baksin’ny polio.  95% ny tahan’ny fahavitam-bakisiny tamin’izany fotoana izany.

« Raha vao misy tranga iray fotsiny ny voan’ny lefakozatra dia areti-mifindra no filazana an’izay », hoy Dr Manitra. Mety hamindra amin’ny manodidina azy eo amin’ny 20 na mahery io olona na zaza iray io. Mora mifindra ny aretin’ny poliomyélite ka izay no antony hanaovana ny vaksiny.

Ra-Nirina

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *