Socio-eco

KOHEN RIVOLALA: Famatsiam-bola, tetika hanangonana ny harem-pirenena


« Entina hitsetsefana ny harem-pirenena Malagasy ny tambiny fanampiana ataon’ny mpamatsy vola an’i Madagasikara », hoy i Kohen Rivolala. Raha manome 10 Ariary ny firenena Malagasy izy, 100 Ariary ny tambiny iny. Sehatra ahafahany mahazo izany ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany.
Nilaza izy fa torak’izay ihany koa ny fampidirana ireo karazam-pivavahana eto Madagasikara. “Tsindry bokotra handemena ny sain’ny vahoaka Malagasy ny fidiran’ny antokom-pivavahana isan-karazany amin’ny fomba malalaka. Ampianarina tsy hitroatra amin’ny fomba ankolaka ny Malagasy manoloana ny fahantrana mahazo azy”, hoy izy .
Kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tenany. Nambarany fa rehefa izy ny hitondra ny firenena Malagasy, mpividy ny entana fotsiny ihany ireo vahiny fa tsy avelany hangorona ny harem-pirenena. Hanarina ny rafitra ara-panahy ihany koa izy. Ho didy jadona ny rafitra hitondrany firenena ka hitarika ny vahoaka Malagasy hiverina amin’ny fivavahana jodaisma izay niandohany. “ Izay no lalana tokana ahafahan’i Madagasikara miala ao anatin’ny fahantrana”.
Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *