Areti-mifindra sy mety ho tonga hatramin’ny fahafatesana ny kitrotro na “rougeole”. Ny olona voan’ny kitrotro dia mamindra amin’izay mifaneresera aminy amin’ny alalan’ny fifampikasohana, na lelo na piti-drora entin’ny rivotra. Ny zaza latsaky ny 5 taona no tena matetika voany. Miseho amin’ny alalan’ny tazo, kohaka, orona misy lelo, pentipentina mena miparitaka amin’ny vatana ity aretina ity. Mety mitarika fahasarotana toy olan’ny taovam-pisefoana, eo amin’ny sofina sy ny maso ny kitrotro, fivalanana mahery vaika mahatonga tsy fahampian-drano amin’ny vatana ny kitrotro, araka ny fanazavan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS). Matetika ny mahatonga ny fahafatesana dia noho ireo fahasarotana ireo.
Nanamafy i Dr Zafy Féllin, mpitsabo zaza sy ankizy, fa ireo olona tsy vita vaksiny fanefitry ny kitrotro no matetika tratry ny fahasarotana. “Raha tsy mahazo fandraisana an-tanana haingana io tranga fahasarotana io dia mety hitondra any amin’ny fahafatesana”, hoy izy. Arakany fanazavan’ny OMS fa ny ankizy sy ny vehivavy bevohoka tsy vita vaksiny no tena tratry ny tranga fahasarotana.
Fiarovana ny zaza sy ny manodidina amin’ny kitrotro ny vaksiny
Ny fanaovana vaksiny no fomba tsara indrindra hisorohana ny kitrotro sy fiparitahany. “Ny vaksiny dia miaro ny zaza tsy ho voan’ny kitrotro. Raha sanatria voa ny zaza dia moramora kokoa ho an’ny zaza vita vaksiny ny ho sitrana raha oharina amin’ny zaza tsy vita vaksiny satria manana hery fiarovana. Raha tratran’ny kitrotro ny zaza kanefa tsy tsara fandraisana an-tanana dia hahatonga fahafatesan’ny zaza. Manana fahasarotana ny zaza tsy vita vaksiny”, hoy i Rasazy Razanatoandro Jacqueline. Rehefa feno 9 volana ny zaza no manao ny vakisinin’ny kitrotro ary manao famerenana amin’ny faha-15 volana.
Teo anelanelan’ny volana janoary sy desambra 2025, nihanaka ny valanaretina kitrotro. Araka ny antontan’asa nomen’ i Dr Paubert Tsivahiny, talen’ny fandaharan’asa misahana ny fanaovam-baksiny (DPEV), eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka fa 1680 ny tranga voamarina, 1 maty (tranga tany Bekily).
Miverina ny aretina kitrotro isaky ny 3 na 4 taona eto amintsika satria ambany ny taha-pahavitrihana mitondra ireo zaza hatao vaksiny andavanandro ka ambany ilay fiarovana iombonana na immunité collective, araka ny ranty navoakan’ny DPEV. Nanatanteraka fanaovam-baksiny faobe ho fisorohana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza (anti-HPV) sy fiatrehana ny valanaretina kitrotro ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka (OMS, GAVI – l’Alliance du vaccine, UNICEF…) ny 8 ka hatramin’ny 12 desambra 2025. Zaza 6 ka hatramin’ny 24 volana miisa 1.164.817 no nahazo vaksiny fanefitry ny kitrotro (VAR). 68,24 % ny tahan’ny fandraisana vaksiny ho an’io sokajin-taona io, araka ny tarehimarika navoakan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ny 2 janoary 2026.
Ra-Nirina



