Mendrika tohanana ny ben’ny tanana miasa. Nihaiky ny Prezidà Rajoelina Andry fa miasa mafy ny ben’ ny tanà nan’Ivato Randrianarisoa Penjy amin’ny fampandrosoana ny tanà nan’Ivato. « Tsy hijerena loko politika ny fampandrosoana fa izay rehetra mampandroso dia mendrika tohanana avokoa satria ny vahoaka no jerena. Anisan’ireo kaominina misongadina ny kaominin’Ivato raha ny fampandrosoana ny tanà na no jerena.  Ilaina hatrany ny firaisankinatsika sy firaisam-po ary ny fiaramiasan’ny rehetra mba hahatratrarantsika ny tanjona. Madagasikara vaovao ao anatin’ny fandrosoana haingana» hoy ny Prezidà n’ny Repoblika. Noho izany dia nanome camion benne iray sy daba-pako fito ny Prezidà . « Mankasitraka izao fanomezana izao aho sy ny vahoakan’ Ivato iray manontolo », hoy ny ben’ny tanà n’Ivato. Hafaliana ny an’ny mponin’Ivato satria vao maika hadio ny tanà na ary indrindra matoky ny fahendrena sy fahaiza- mitantana izy ireo.
Ra-Nirina




Pingback: KAOMININ’IVATO : Nomen’ny Prezidà n’ny Repoblika Rajoelina Andry camion benne iray sy dabapako fito - ewa.mg