Manana ivon-toeram-pihainoana ho an’ireo vehivavy, ankizy na lehilahy iharan’ny herisetra ny kaominina Bongatsara. Efa maro ireo olona nandalo tao ary nahazo fanampiana sahaza azy toy ny torolalana amin’ny tokony atao raha iharan’ny herisetra, ny toerana tokony aleha… Ankoatra ny toro-hevitra dia nanampy ara-bola, ara-tsakafo ireo niharan’ny herisetra ihany koa ny Ben’ny tanànan’ny Bongatsara Rabearisoa Hanta. Anisan’izany Ramatoa Jeanine, 76 taona izay nisy nandoro ny tranony telo taona lasa izay. Araka ny fanazavany dia mipetra-drery izy sady mananontena. “May tongotro, niraikitra ny feko. Tsy afaka nitsangana aho fa nihisaka. Ramatoa Ben’ny tanàna no nandray an-tanana ny fitsaboana ahy. Niantoka ny sakafoko sy ny fanafody”, hoy izy sady manganohano ny masony.
Mahatonga ny fanolanana
Anisany nahazo tohana avy amin’ny Ben’ny tanànan’i Bongatsara ihany koa i Bernadette. “Niharan’ny herisetra ny zanako vao sivy taona, naolan’ny lehilahy 40 taona, sécurité ana orinasa tety amin’ny manodidina anay. Tamin’ny volana desambra 2018 no nitranga izany. Nitory teny amin’ny gendarme izahay dia nankany amin’ny centre Vonjy ary niakatra fitsarana ny raharaha. Niantso ahy foana ny avy amin’ilay mpanolana hoe atao raharaham-pihavanana fa tsy nanaiky satria tsy ampiverina ny zanako ho virijiny izany”, hoy i Bernadette. Nambarany fa nanampy tamin’ny fandehanana nivezivezy ny Ben’ny tanànan’i Bongatsara. Raha fanazavan’ny renin’i Lova (solonan’anarana) fa rehefa nanontaniana teny amin’ny fitsarana io rangahy mpanolana dia nilaza fa “araka ny zavatra nataoko dia mahazo manao firaisana ara-nofo amin’ny zaza tsy ampy taona aho”.“Milalao ody izy araka ny fandinihako azy ary saika nataony sorona ny zanako satria antsy no niandry ilay zaza”, hoy i Bernadette. Araka ny fitantaran’i renin’i Lova ihany fa nisy zazavavikely vao heritaona sy tapany no naolan’ny rainy tao Bongatsara ihany. “Nitsaoka io rainy io ary ny Ben’ny tanàna no nanampy azy telo mianaka tamin’ny sakafo satria vao teraka kely ilay ramatoa. Mangataka ny manam-pahefana mba hijery an’izao herisetra mianjady amin’ny ankizy madinika, ny reny izao. Maro dia maro ny resaka herisetra ety amin’ny kaominina misy anay ety, resaka viol tena betsaka satria mirohitra any zava-mahadomelina ny tanora fa tsy misy sport hanalana andro na foto-drafitr’asa ho an’ny tanora ka lasa manaonao foana izy”, hoy i hatrany Bernadette.
Ho fanamarihana ny hetsika 16 andro ho entina miady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy (miralenta) dia nisy ny hetsika fanentanana nataon’ny kaominina ny 03 desambra 2020 teo anoloan’ny biraon’ny kaominina. “Mamporisika ireo olona iharan’ny herisetra ho sahy hiteny”, hoy ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Bongatsara, Rabearisoa Hanta. Nambarany fa “tsy ny herisetra no mirongatra fa efa nisy foana hatramin’izay fa noho fijoran’ny vadin’ny Filoham-pirenena, Rajoelina Mialy dia manomboka sahy miteny ny herisetra mahazo azy ny olona”.
Lynda A.




Pingback: KAOMININA BONGATSARA: Nandray an-tanana ireo niharan’ny herisetra sy fanolanana - ewa.mg