Nanolotra kidoro miisa 74 ho an’ny kaominina Alasora ny “Association Baobab Madagascar”. Nozaraina tamin’ireo zokiolona be taona indrindra, ny maternité Alasora ary ireo ankohonana tena sahirana izany fanomezana izany, omaly 16 martsa 2022. Ny 60 tamin’ireo kidoro no nomena ireo zokiolona avy amin’ny fokontany 20 mandrafitra ny kaominina. 100 taona mahery no zokiny indrinda tamin’izy ireo. “Ao anatin’ny fiarahamiasa amin’ny association, izay efa niara-niasa tamin’ny kaominina Alasora efa hatramin’izay ity hetsika sosialy ity”, hoy Randriantsoa Jimmy, Ben’ny Tanànan’Alasora. Nambarany fa “hiditra ao anatin’ny ririna isika izao ka fitaovana tena ilain’ny olona efa lehibe ny kidoro”. Izany indrindra no antony nisafidianan’ny kaominina hoe: zokiolona no omena ireto kidoro avy amin’ny “Association Baobab Madagascar” ireto. Ankoatra ny fanamboarana foto-drafitr’asa dia laharam-pamehana ho an’ny kaominina Alasora ny ara-tsosialin’ny mponina. Noho izany dia mitohy hatrany ny fitadiavana fiarahamiasa amin’ny fikambanana, olon-tsotra sy ny maro hafa.
Lynda A.
HORONAN-TSARY



