politique

KANDIDA SOLOMBAVAMBAHOAKA: « Foano ny lisitra mampiasa ny anaran-dRajoelina »


Filohan’ny Malagasy rehetra ny Prezida Andry Rajoelina fa tsy an’ny vondrona politika irery, hoy ny mpanao politika, Rakotomavo Lanto. Tsy manaiky ny fampiasana ny anaran’ny filohan’ny Repoblika an’i Madagasikara  (PRM) ity mpanao politika ity. Voamarina taorian’ny fivoahan’ny lisitr’ireo mpilatsaka ho fidiana ho solombavambahoaka navoakan’ny vaomiera mahaleotena mikarakara ny fifidianana (CENI) fa misy  amin’ireo kandida no avy amin’ny vondrona politika « isika rehetra miaraka amin’ny Andry Rajoelina ».  Nambarany fa fandikàna ny  lalàm-panorenana ny fiandanian’ny filoham-pirenena amin’ny atsy na aroa. Efa nianiana rahateo ny Prezida Andry Rajoelina tamin’ny 19 janoary 2019 fa hanaja toy anakandriamaso ny lalàm-panorenana. Voalaza ao anatin’ny lalàm-panorenana, andininy faha-49 fa ny asan’ny Prezida ny Repoblika dia tsy azo ampivadiana amin’ny  asa hafa ho an’ny fanjakana. Miteraka fampiatoana azy tanteraka amin’ny asany ny  fandikàna izany,  raha ny voalazan’ny lalàna hatrany. Matoa misy kandida solombavambahoaka mampiasa ny anarany amin’ny vondrona politika dia nanaiky izany ny PRM, hoy ny mpandinika politika Ralambomahay Toavina.

Noho izany dia mitaky ny hanafoanana ny  lisitr’ireo kandida avy amin’ny vondrona politika « isika miaraka amin’ny Andry Rajoelina » sy hanomezana fe-potoana azy ireo hanamboatra anarana vaovao sy lisitra vaovao ny mpanao politika Rakotomavo Lanto. Miantso ny vaomiera mahaleotena mikarakara fifidianana (CENI)  sy ny  fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana (HCC) izy mba ho ampidirana ao anaty ny lalàm-pifidianana solombavambahoaka fa tsy azo ataon’ny  antoko na vondrona politika ny mampiasa anarana, ny sary, ny feo ny PRM. « Aleo hevitra sy foto-kevitra no handresena lahatra ny mpifidy fa tsy anaran’olona”. Nanamafy ity mpanao politika ity nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety ny 20 martsa 2019 fa  fametrahana fifidianana madio, mangarahara ary eken’ny rehetra no takiany  fa tsy fampiatoana ny fifidianana velively. Eo ihany koa ny fampitoviana  lanja ny kandida rehetra mba ho fifaninanana madio. Manaitra ny tomponandraikitra mikirakira ny fifidianana manomboka any amin’ny fiadidian’ny primatiora, ny minisitera ny atitany, ny CENI, ny HCC ary ireo fiarahamonim-pirenena mba handray ny andraikiny avy manoloana izany rehetra izany.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *