Socio-eco

ISPM: Mahaliana ny mpianatra ny lalam-piofanana momba ny serasera sy ny fifandraisan-davitra.


Ao anatin’ny fitadiavana ny oniversite mifandraika amin’ny  lalam-piofanana hanohizana ny fianarana ireo mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea  farany teo. Betsaka ireo mpianatra no liana amin’ny lalam-piofanana momba ny fifandraisan-davitra sy ny serasera. Anisany lalam-piofanana be mpanontany indrindra teo amin’ny trano heva nisy ny Institut Supérieur de Polytechnique de Madagascar (ISPM) izy ity. Nambaran’ny Talen’ny fitantanana sy ny vola an’ny ISPM,  Aimée RAZAFINDRAHETY fa mirona  kokoa amin’ny fivoaran’ny teknolojia ny mpianatra amin’izao fotoana izao.

Na dia eo aza izany, maro ihany koa ireo mpianatra no te hanohy ny fianarany amin’ny lalam-piofanana toy ny « industrie chimie et minière », « biotechnologie »… Afaka mandranto fianarana ao amin’ny ISPM raha manana safidy iray amin’ireo.

Raha mila fanampim-panazavana, mandray anjara eny amin’ny Salon de la rentrée universitaire, eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka ity oniversite ity. Hifarana androany ny hetsika.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *