Socio-eco

HIRA VAOVAO AN’I PASKERO – « C’EST LA BELLA VITA » : Hanampy ireo zokiolona tohanan’ny ONG Ny Hoaviko Madagasikara


Miahy zokiolona miisa 150 eto Antananarivo sy any Toamasina, amin’ny lafiny ara-pahasalamana sy sakafo ny ONG Ny Hoaviko Madagasikara. Miara-miasa amin’i Paskero, mpanankanto frantsay, ny fikambanana ho fanamafisana ny fanohanana azy ireo. Lasa masoivohon’ny ny fikambanana any Frantsa i Paskero. « Hisolo tena an’i Madagasikara any Frantsa i Paskero. Hitady làlana hanampiana ireo zokiolona izy », hoy i Ravelomananjara Noeliso na i Tatie Noely, tomponandraikitry ny Ny Hoaviko Madagasikara, nandritra fifananaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny fikambanana sy ity mpanakanto ity, ny 5 septambra 2025, teny amin’ny  biraon’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM), eny Ambohidahy.

Clip vaovao hitondra fanampiana ho an’ny zokiolona

Namoaka lahatsary (clip)  vaovao mitondra ny lohateny hoe: « C’est la bella vita » i Paskero. Maneho ny fitiavany an’i Madagasikara  ity hirany ity. Miaraka amin’i Sarah Angel’s, mpanakanto Malagasy izy no mikalo izany. Mampifangaro gadona afro-latino ilay hira. « Mba ahita an’ity clip vaovao ity avokoa ny Malagasy. Mampiseho ny hatsaran’i Madagasikara  ilay clip. Tiako ity firenena ity », hoy i Paskero. Efa anaty YouTube nanomboka ny volana aogositra « C’est la bella vita ». Hanampy ny fikambanana Ny Hoaviko Madagasikara ny fijerena ny clip  ao anatin’ity plateforme ity.

Miahy ny fahasalaman’ny zokiolona

Eny amin’ny kaominina Fenoarivo, ny 50 amin’ireo zokiolona tohanan’ny fikambanana Ny Hoaviko Madagasikara  eto Antananarivo. Any Salazamay Toamasina ny 100. Manomboka 60 taona no miakatra izy ireo. Anisany mikarakara ny fahasalaman’izy ireo ny fikambanana. « Amin’ny heriny androany  izahay no mandray ny any Toamasina. Ny eto Antananarivo kosa dia isan-kerinandro no raisin’ny dokotera sy nympitsaob mpanampy, isaky ny alarobia, ao amin’ny kaominina Fenoarivo . Jerena ny tosidrà. Raha misy aretina mila analyse dia tsy mandoa vola izy ireo. Misy maro amin’izy ireo no bilan isaky ny tapa-bolana. Izany no atao dia mba  hampitombo ny fahaveloman’ny zokiolona, ho faly foana. Manome fanafody ihany koa izahay », araka ny fanazavan’i Tatie Noely hatrany. Ankoatra ny fitsaboana, manome sakafo azy ireo ny fikambanana. Ny zokiolona taizain’ny fikambanana dia tsy mifidy na sahirana na tsia.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *