Tany karakaina lasa namokatra. Nitolagaga ny mponina manodidina ny sekoly ao amin’ny faritra Boeny nanaovana fampiharana momba ny “agroécologie”, araka ny tombana nataon’ny GSDM, matihanina amin’ny fambolena maharitra. Rehefa natsaraina tamin’ny alalan’ny voly rakotra sy fampivadiam-boly ny tanin’ireo sekoly dia nihatsara ny vokatra tao anatin’ny taom-pianarana roa nifanesy. Ho an’ny CEG Mandiarano ohatra dia nahazo katsaka 1 taonina sy 500 kilao ny sekoly ny taona voalohany (2019-2020). Rehefa nohatsaraina tamin’ny voly rakotra hatrany ny saha sekoly dia nahazo vary 3 taonina sy 125 kilao nandritra ny taom-pianarana 2020 – 2021. Ho an’ny CEG Ankazomborona, manana saha sekoly lehibe indrindra dia nahatratra hatrany 4taonina isakin’ny hektara ny voka- bary ho an’ny taona 2021 rehefa avy nambolena voly rakotra toy ny mucuna , kazanus… Santionany tamin’ireo tombana natao tamin’ny fampidirana ny “agroécologie” ao anaty fandaharam-pianarana ho an’ny faritra Boeny ireo. Nanatanteraka atrikasa nanaovana tombana ny asa vita sy fiantraikan’ny fampidirana ny “agroécologie” anaty fandaharam-pianarana ao Boeny ny GSDM sy ny tetikasa Prosol/GIZ ny 21 okotbra 2022 tao Mahajanga.
Nanova toe-tsaina
Sekoly miankina amin’ny fanjakana sy tsy miankina miisa 12 ao Boeny no ampidirana ny “agroécologie” ao anaty fandaharam-pianarana. Sahan’asa lehibe ao anatin’ny tetikasa PROSOL izy ity ary miara-miasa amin’ny GSDM ny tetikasa amin’ny fampiofanana ny mpampianatra momba ireo teknikam-pambolena mahomby. Ny mpampianatra avy eo no mampita ny fiofanana azon’izy ireo amin’ny mpianatra. Mahazo tombony ihany koa ny ray aman-dreny satria ankoatran’ny fampitan’ny zanak’izy ireo ny lesona momba “agroéocologie” dia afaka manatrika mivantana ny fampiharana momba ny fambolena maharitra ihany koa izy ireo. “Nisy tamin’ireo mpampianatra, mpianatra ary ray aman-dreny avy eto amin’ny faritra Boeny no nentina tany Antsirabe, nanao fitsidihana ireo sekoly filamatra nampidirana ny agroécologie. Nifanankalo hevitra, naka traikefa tamin’ireo mpampianatra , mpianatra ary ray amandreny avy ao Antsirabe izy ireo”, araka ny fanazavan-dramatoa Randriamiarana Vololona, teknisiana momban’ny fambolena avy ao amin’ny GSDM. Nambaran’ny tale mpanatanterakin’ny GSDM, Rakotondramanana fa ny taom-pianarana 2019 – 2020 no nampidirana ny Agroécologie tao amin’ny faritra Boeny tamin’ny alalan’ny tetikasa Prosol izay vatsian’ny fiarahamiasa alemana (GIZ). “Nanova ny toetsain’ny mpianatra ary indrindra ny ray aman-dreny ny fampidirana ny agroécolgie tany an-tsekoly satria ny mpianatra no nampianarina dia lasa nanitikitika ny ray aman-dreny. Taloha tsy mbola mampiasa izany zezika izany izy ireo rehefa mamboly, indrindra ny fambolena lojy fa mampiasa vokatra simika. Nentina nijery ireo tantsaha ao Vakinankaratra ihany koa izy ireo ka izay no tena nampiova ny toetsain’izy ireo ary mipetraka foana izany na mijanona aza ny tetikasa”, hoy Rakotondramanana. Noho ny fahitan’ny GIZ ny vokatsoa tamin’ny fampidirana ny fambolena maharitra tany an-tsekoly nataon’ny GSDM tao Vakinankaratra noho antony nampidirana izany tamin’ireo faritra hiasan’ny tetikasa Prosol.
Lynda A.



