Vato sarobidy, firavaka, vatosoa tsy mbola voapaika isan-karazany milanja 800 kilao  avy any amin’ny firenena samihafa nampirantiana nandritra ny foara iraisam-pirenena ho an’ny  vato tsy mbola voapaika (foire internationale des pierres  brutes),  tany « Jaipur Inde ». Mpandraharaha madinika miasa  amin’ny  sehatry ny   harena an-kibon’ny tany  avy any  « Afghanistan, Ethiopie, Canada, Thaïlande, Tanzanie, Zambie » nandray anjara tamin’ny foara ny  08 ka hatramin’ny 10 janoary 2018. Nampiavaka ity andiany nokarakarain’ny « Gravel, Concrete & Emulsion Production Corporation » (GCEPC) ity ny fandraisan’anjara nataon’ny mpandraharaha madinika amin’ny sehatry ny vato avy eto Madagasikara. 27 ny trano heva azo notsidihana ka mpandraharaha Malagasy avokoa no  nitana ny trano heva miisa  16 tamin’ireo.
Fahazoana  ny  lalam-barotra
Tanjon’ny mpikarakara ny hetsika ny fampihaonana mivantana an’ireo mpandraharaha madinika   amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany amin’ireo indostria   lehibe mpanodina vato maneran-tany. Anisany antony nisafidianana ny toerana nanaovana ny foara noho i Jaipur tanan-dehibe ahitana  indostria  miantsehatra amin’ny resaka vato. Nambaran’ny mpikarakara avy eto Madagasikara sady Filohan’ny komity nasionalin’ny harena an-kibon’ny tany (CNM), Dr ANDRIATSIRA fa vao vita  ny  fanokafana ny foara tamin’ny fomba ofisialy ny marainan’ny alatsinainy 08 janoary 2018, mpandraharaha Malagasy maro no efa nahazo « commande » sahady.
Nirina R.




Miarahaba tompoko.
mpandraharaha madinika momban’ny harena an-kibon’ny tany ny tenako
mba te hafantatra ny mombamomba an’andriamatoa Dr ANDRIATSIRA.
Misaotra mialoha tompoko