Socio-eco

FIZARANA BOKIN-TANY FAOBE: Bokin-tany 220 nozaraina tao amin’ny kaominina Bongatsara


Ampamarin-toerana ireo nanajary ny tany. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny 03 novambra 2020 teny amin’ny kaominina Bongatsara ireo bokin-tany miisa 220. KAOMININA - BONGATSARA fizarana bokin-tany faobe 12“Tamin’i Andriamatoa Andry Rajoelina mbola filohan’ny tetezamita no nanomboka nanao ny fikarakarana ny titre faobe izahay. Izao indray ilay izy vao nitohy.  Eo amin’ny 433 eo ny titre nokarakaraina tamin’izay fotoana izay. Io nozaraina io miisa 220” hoy ny Ben’ny tanànan’i Bongatsara, Rabearisoa Hanta. Araka ny fanazavany fa  ny ankamaroan’ireo tany nahazo titre dia “tanim-panjakana na ireny tany efa hoe karazana terrain domanial fa  tsy nisy nikarakara intsony fa ireo olona teo amin’ilay toerana no efa namboly teo an-taonany maro na ireo nanorina trano tamin’ny andron’ny fondation AB Pierre niarahana tamin’ny association Famonjena. Dia mazava ho azy fa izay  ny mason-tsivana. Ireo olona efa nipetraka tamin’ireo toerana ireo no noezahina natao izay ampamarin-toerana azy, hisitraka izay tany nohajariany izay”. Nomarihiny fa  olona sahirana ny 80 %-n’ireo nahazo bokin-tany.

Fitsarana mitety vohitra

Nilaza ihany koa Ramatoa Ben’ny tanàna nandritra ny lahateny nataony fa hanarenana ny faripiain’ireo mponina no antony izao fizarana bokin-tany faobe izao. “Matoa ity natao dia mba hiakatra ambony kokoa ny fari-piainantsika, mba hilaminantsika ara-pitadiavana, ara-pivelomanana”, hoy izy. Tonga teny an-toerana ny Ministry ny fanajariana ny tany, Andrianainarivelo Hajo nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ireo bokin-tany. “Anatin’ny veliran’i Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny fanamorana ny fahazoan’ny Malagasy ny bokin-tany na ny kara-tany. Isaorana ny fikambanana Famonjena nanampy tamin’ny fikarakarana satria ny bokin-tany na kara-tany no manamarina fa antsika ny tany”, hoy izy nandritra fandraisam-pitenanany. Nambaran’ny tale jeneralin’ny sampandraharahan’ny fananantany fa dingana natao nandritra ny fikarakarana ireo bokin-tany ny fanaovana fitsarana tany mitety vohitra ka nisy noho izany ny fidinana ifotony.

Lynda A.

SARY :


One comment on “FIZARANA BOKIN-TANY FAOBE: Bokin-tany 220 nozaraina tao amin’ny kaominina Bongatsara

  1. Pingback: FIZARANA BOKIN-TANY FAOBE: Bokin-tany 220 nozaraina tao amin’ny kaominina Bongatsara - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *