Socio-eco

FITAKIANA NY « ILES EPARSES » : Amin’ny lafiny ara-panahy ny andraikitra raisin’ny fiangonana Apokalypsy eto Madagasikara


Tsy maty ny vinan’asan’i Pasitera Mailhol tamin’ny fampielezan-kevitrany. « Novelomin’ny Prezidà Rajoelina Andry ny fitakiana ireo nosy malagasy ( îles Eparses ) », hoy ny filohan’ny fiangonana Apokalypsy eto Madagasikara, Pasitera Mailhol. Mahatsapa ny lanjan’ireo harena ao ny malagasy. Nasehon’ny fiangonana Apokalypsy sy noporofoiny amin’ireo vahiny fa indrindra ny firenena Frantsay fa maro ny malagasy mitaky ireo nosy kely miparitaka ireo satria ilainy izany. Nitondra am-bavaka ny firenena mba hiverenan’ireo nosy kely ireo ny mpino ao amin’ny fiangonana Apokalypsy tetsy amin’ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo ny 14 Desambra 2019.  « Nanao ny ara-diplomatika, ny ara-politika ny fanjakana, fa ny Apokalypsy kosa hanao ny lafiny ara-panahy sy fitondrana am-bavaka ity firenena ity satria raha tsy misy ny herin’Andriamanitra dia tsy ho azontsika mihitsy ireo nosy kelin’ny malagasy ireo », hoy izy. Mieritreritra ny firenena Frantsay fa tsy rototra amin’ny fitakiana ny « îles eparses » ny malagasy raha nahita fa tsy nisy vahoaka nanotrona ireo solo-tenan’ny fanjakana malagasy raha nifampiresaka tamin’ny solo-tenan’ny fanjakana Frantsay teny Andafiavaratra. Nanao ihany koa ny Otrikafo fa zara raha nisy olona. Nisy ny teny amin’ny CCI ivato izay nanantenako fa ho feno vahoaka eny ivelany sy ny manodidina saingy solo-tena ihany ny tao amin’ny trano fivoriana. Noho izany dia nomporofoin’ny fiangonana Apokalypsy fa tonga ny mpino hanohana ara-panahy ny fitakina izany nosy kely an’ny malagasy izany. Tokony hitsangana daholo isika vahoaka malagasy hanohana ny prezidàn’ny repoblika miaraka amin’ny pasitera Mailhol  izay mahatsapa ny lanjan’izao fahoriana izao hitaky ny hamerenana ny « îles eparses » ka hitondra any amin’ny famahana izao fahantrana izao faran’izay haingana, hoy hatrany izy. « Mino aho fa tsy maintsy ho azo ireo nosy kely ireo raha mbola velona io Andriamanitra hivavahantsika io ».

Raha tombanana ny harena ao amin’ireo nosy kely ireo dia mitentina 12 500 miliara metatra kioba ny solika sy entona fandrehatra, hoy  ny filohan’ny fiangonana Apokalypsy. Raha iray  miliara metatra kioba isan-taona no haondrantsika firenena malagasy dia mampiditra vola 60 miliara dolara hatramin’ny 70 miliara dolara izany. Raha zaraina amin’ny malagasy 27 tapitrisa  izany dia manana 500.000 dolara isam-batan’olona ny malagasy. 12 500 taona vao ho ritra io harena ao amin’ireo nosy kely ireo. Hivaha noho izany ireo olan’ny jirama amin’ny delestazy, ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fanan’asa…Tsy ho gaga isaika raha fihinin’ny frantsay ireo nosy kely ireo satria be harena.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *