Socio-eco

FIRAISANKINA HO AN’I TOAMASINA : Hetsika Cash Transfert manoloana ny rivodoza GEZANI


Nanomboka ny 10 febroary 2026 tao Toamasina ny hetsika Cash Transfert, vokatry ny fiaraha-miasan’ny MVOLA, Programme Alimentaire Mondial (PAM), ny Fanjakana Malagasy ary ireo mpiara-miombon’antoka aminy.

Natomboka mialoha ny fahatongavan’ny rivodoza GEZANI ity hetsika ity, mba hanohanana ara-bola ireo olona marefo indrindra ao amin’ny faritra. Tanjona ny hampihenana ny fahasahiranana ara-toekarena sy ara-tsosialy mety hateraky ny fandalovan’ny rivodoza.

Ankoatra ny fanampiana ara-bola dia maneho firaisankina sy fifanampiana amin’ny fotoan-tsarotra ity hetsika ity, ho fanohanana ireo mponina voakasika.

Manodidina ny 3 100 ireo efa nisitraka izany fanampiana izany, izay mitovy amin’ny fanohanana mandritra ny roa volana. Mbola mitohy hatrany ankehitriny ny fizarana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *