Afaka mindram-bola amin’ny alalan’ny tolotra M-KAJY avokoa izay olona manana kaonty Orange Money. Ankoatra ny findramam-bola dia afaka mametraka vola ahazoana “zanabola ambonimbony” kokoa. Nohatsaraina ity tolotra iarahan’ny Orange Money Madagasikara sy ny Première Agence de Microfinance (PAMF). Nampahafantarina ny alakamisy 28 aogositra 2025, teny amin’ny Orange Digital Center, Gare Soarano izany. Manomboka izao dia afaka mijery ny vola azo indraminy ny mpanjifa Orange Money na tsy mbola nisoratra anarana amin’ny tolotra M-KAJY akory aza. Nampidirina ao anatin’ny tolotra ihany koa ny “épargne automatisée” na fahafahana mandrindra ny fotoana fandrotsahana vola atao tahiry ao amin’ny finday, na isan-kerinandro na isam-bolana. « Ankafaliana no ampahafantarana androany ny fametrahana ny épargne programmée planifiée izay hanampiana ny sarababembahoaka. Na kely aza ny vola hananana, manomboka amin’ny 500 Ariary, dia afaka manao tahiry”, hoy Ratsimbazafy Guy, Tale jeneralin’ny PAMF, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ho fampahafantarana ny fanavaozam-piarahamiasa miaraka amin’ny Orange Money.
Ho fanamorana ny fikirakirana vola amin’ny fomba tsotra sy azo antoka afaka mampiasa ny volany ao amin’ny alalan’ny Orange Money ireo manana « compte bancaire” ao amin’ny PAMF. « Afaka ampifandraisina ny kaonty Orange Money sy kaonty PAMF ( Bank to Wallet ). Afaka mandrotsaka vola anaty Orange Money ny mpanjifa PAMF. Raha tonga eo amin’ny botika iray ka tsy manam-bola na tsy ampy dia afaka mindrana amin’ny M-KAJY na manana kaonty PAMF dia afindra amin’ny Orange money vola », hoy hatrany Guy Ratsimbazafy.
Nanomboka ny taona 2018 ny fiarahamiasa teo amin’ny Orange Money sy PAMF. Ho fanamorana ny andavanandron’ny Malagasy, amin’ny alalan’ny fanamorana fikirakirana tolotra ara-bola, no tanjon’ny Orange Money. » Manamafy ny fandraisana andraikitray amin’ny fampiroboroboana ny fahafahan’ny daholobe mikirakira vola izao fanatsarana ny tolotra izao », hoy i Marie Victoire Comet, Tale jeneralin’ny Orange Money Madagasikara.
Efa mahatratra 700.000 ny mpanjifa mampiasa ny tolotra M-KAJY ka ny antsasany amin’izy ireo mindrambola amin’ny fotoana tampoka, indray mandeha isambolana, arak any fanzavan’ny Tale jeneralin’ny PAMF.
Ra-Nirina



