Anisany mampiroborobo ny orinasa na tetikasa ny hetsika ara-ekonomika toy ny Foire Internationale de Madagascar (FIM). Mampahafantatra ny Mada Vision fa efa misokatra fisoratana anarana ho an’ireo orinasa na mpandraharaha na tompona tetikasa te handray anjara amin’ny FIM 2026. Ho tanterahana ny 7 ka hatramin’ny 10 mey 2026, eny amin’ny CCI Ivato ity andiany ity. Misokatra ho an’ny sehatra rehetra ny hetsika, araka ny fanazavan’ny mpikarakara.
Raha ireo mpanao asa tanana no nomena lanja kokoa tamin’ny taona 2025 dia omena vahana manokana ny orinasa lehibe amin’ity andiany manaraka ity. « Mampiavaka ny FIM 2026 ny fanomezana sehatra ireo orinasa lehibe mba ho hita mivaingana kokoa ny fampiasam-bolan’izy ireo », hoy Randrianasolo Hery.
Nambarany fa anisany hetsika ara-toekarena lehibe indrindra eto Madagasikara ny FIM mba ahafahan’ny orinasa mampiseho ny paikadiny sy ny tolotra vaovao ho entiny mamakivaky ny taona 2026.
« Madagascar en mouvement : les secteurs qui bougent et les idées qui avancent » no lohahevitry ny hetsika rehetra karakarain’ny Mada Vision amin’ity taona ity. « Iarahana mahalala ny zava-niseho tato ato ka izay no nahatonga anay nisafidy ity lohahevitra :  Madagascar en mouvement. Mila mitraka ny toakarena eto Madagasikara ka tsy mipetraka amin’ny sehatra iray izahay fa ho tetezanay daholo ireo sehatr’asa rehetra ahafahana mampivoatra ny toakarena », hoy hatrany Randrianasolo Hery.
350 ny mpandray anjara andrasana amin’ny FIM 2026. 30.000 ny mpitsidika antenaina ho avy mandritra ny efatr’andro. Hisy ihany koa ny sehatra hampihaonana ireo mpandraharaha sy tompona orinasa ahafahana mahita fiarahamiasa sy mitrandraka seha-pihariana vaovao. Mikarakara hetsika fanomezam-baovao momba ny fandraisana anjara amin’ny hetsika ny mpikarakara ny alarobia 4 febroary 2026, eny amin’ny Centell Antanimena.
Ra-Nirina



