Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny 4 Martsa 2026, teny amin’ny CCI Ivato, ny fakan-kevitra momba ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy. Haharitra roa volana ny dinika iarahan’ireo mpisehatra marolafy momba ny tontolo iainana, toy ny sampandraharaham-panjakana misahana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, ny mpitantana ny faritra arovana, ny vondrom-piarahamonina ifotony, ireo fikambanana sy ny firaisamonim-pirenena ary ny sehatra tsy miankina.
Ny tanjon’ity fikaonandoha ity dia ny hanatsara sy hanavao ny lalà na, ny politika ary ny fomba fiasa amin’ny fitantanana ny harena voajanahary. « Madagasikara lovainjafy no vina haroso mandritra ity fikaonandoha ity », hoy i Manesimana Fanomezantsoa Michaël, Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.
Anisan’ny lohahevitra hodinihina mandritra izany ny fitantanana ny faritra arovana; ny ady amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalà na ny karazam-javamananaina; ny famindram-pitantanana ny harena voajanahary ho an’ireo Vondron’Olona Ifotony (VOI); ny fanarenana ny ala sy ny fambolen-kazo ary ny fitantanana ny afo; ny fiarovana ny zo fananan-tany; ny fiovan’ny toetrandro; ny famatsiam-bola momba ny toetrandro; ny fisorohana sy fitantanana ny ambana sy ny fandotoana (fako sy fandotoana isan-karazany); ny ady amin’ny fandikan-dalà na ara-tontolo iainana; ary ny fitantanana mangarahara sy ny ady amin’ny kolikoly.
Ho avadika ho fomba fiasa ho an’ny fanavaozana
Ho atolotra mandritra ny fikaonandoham-pirenena ny hevitra tapaka mandritra ny fakan-kevitra momba ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, araka ny fanazavan’i Randrianirina Michaël, Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. « Ny hevitra tapaka eto dia entina amin’ny fikaonandoham-pirenena, ary ny fanapahan-kevitra raisina amin’ny fikaonandoham-pirenena dia tsy maintsy hapetraka ho fomba fiasa ao anatin’ny fanavaozana », hoy izy.
Miantso ireo mpandray anjara rehetra amin’ny fakan-kevitra ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara mba ho faritana mazava ny tetiandro, ny laharam-pahamehana ary ireo hevitra hiteraka asa mivaingana.
Nanamafy i Anthony Ngororano, Mpandrindra maharitra an’ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, fa fotoana hanapahan’i Madagasikara hevitra izao. « Ity fikaonandoha ity no hamaritra mazava ny laharam-pahamehana, hanavao ny politikam-panjakana ary indrindra hanafaingana ny asa », hoy izy.
Araka ny tetiandro navoakan’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy (MEDD), ny 10 ka hatramin’ny 20 Martsa 2026 no hanatanterahana ny fakan-kevitra eny anivon’ireo sehatra isan-tsokajiny, toy ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, ny sehatra tsy miankina ary ny firaisamonim-pirenena. Ny 16 ka hatramin’ny 19 Martsa kosa no hanaovana ny fikaonandoha handinihana ny raharaha anatiny eo anivon’ny ministera. Ny 20 Martsa ka hatramin’ny 10 Aprily no hanatanterahana ny fikaonandoha isam-paritra. Ny 20 ka hatramin’ny 24 Aprily no fandravonana ny hevitra rehetra, ary kasaina hatao ny 30 Aprily ny famaranana ny fakan-kevitra.
Lynda A.



