« Maro amin’ireo mpianatra no mbola tsy feno ny fitaovam-pianarany na dia efa niditra tamin’ny alatsinainy aza », hoy i Randriantsoa Razaka Mireille, Filohan’ny fikambanana Porte Bonheur. Nizara fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatry ny EPP Ambatomalaza Alasora ity fikambanam-behivavy ity, ny sabotsy 13 septambra 2025.
Mpianatra miisa 350 no notolorana « cahier, stylo karazany efatra, règle, crayon » ary « biscuit ». Nahatsiaro ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ihany koa ny fikambanana ka nizara « panier garni » misy paty (macaroni) sy menaka. Miisa 250 no nahazo izany. Tsy diso anjara ny mpampianatra fa nomena paty (macaroni) sy menaka ary vary.
« Hanamaivana ny mpiarabelona amin’ny adidy sy andraikitra maro, indrindra ny fitadiavana sakafo isan’andro no tanjona. Mitondra fahasambarana ho azy ireo izahay amin’izay voatsirambin’ny tananay », hoy Randriantsoa Razaka Mireille.
Mitentina fito (7) tapitrisa ariary ny tetibidin’ny hetsika nataon’ny fikambanana ho an’ny fidiran’ny mpianatra, araka ny fanazavany. « Tsy manana fidirambola ny fikambanana fa miezaka manao fitadiavambola. Miara-miasa amin’ny malala-tanana izahay fa vola madiodio ny fikambanana kosa no nampiasaina tamin’ity hetsika fidiran’ny mpianatra ity ».
Ahitana sekoly ambaratonga fototra (EPP) 12 ao amin’ny kaominina Alasora. EPP faha -11 nanaovan’ny Porte Bonheur asa sosialy ny ao Ambatomalaza. Ny EPP Ankadievo no hamaranan’ny fikambanana ny fitetezana ireo sekolim-panjakana, amin’ny alalan’ny « noely mizara hafaliana », amin’ny volana desambra 2025. Manampy ny beantitra, tobim-pahasalamana, toeram-piterahana, akany fitazaina zazakamboty eny amin’ny kaominina Alasora ihany koa ny fikambanana.
Lynda A.
SARY:














