« Resaka ara-panahy ny mampahantra ny Malagasy ». Efa 200 taona izay kanefa mbola miaina ao anatin’ny fahantrana i Madagasikara. Nambaran’ny mpitondra ny fivavahana jodaisma eto Madagasikara, Kohen Rivolala fa tsy mety amin’ny maha Malagasy ny karazam-pivavahana miditra eto. Jiosy ny razana nipoiran’ny Malagasy. Fomba grika anefa ny fivavahana kristianina. Mifanohitra ny ireo fomba roa ireo. Nilaza izy fa mivavaka amin’ny « Andriamanitra » tokony tsy hivavahana ny Malagasy ka very an-javony fotsiny ny vavaka ataony.
Manota fady
Mila miverina amin’ny kolontsaina jiosy ny Malagasy. Araka ny fanazavany, tsy fomba hebreo ny manompo razana fa kolontsaina egyptiana nampidirina teto. Nanota fady ny kolontsaina tena Malagasy nitranga talohan’ny vanim-potoana faha-mpanjaka ny fidiran’izany. Nanamafy izy fa raha te hiresaka amin’ilay mpahary, mila miverina amin’ny rafitra fisoronana. Ho tanterahiny izany rehefa izy ny mitondra ny firenena.
Mpaminany sandoka
Raha ny baiboly no jerena, lazaina fa marina ny mpaminany iray rehefa tanteraka ny zavatra lazainy ny faminaniany. « Sandoka kosa raha tsy mifanaraka amin’ny voalazany ny baiboly na dia tanteraka aza », hoy i Kohen Rivolala.
Nirina R.



