
fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa eo amin’ny Conservation Allies sy ny Fondation pour les Aires Portégées et la Biodiversité de Madagascar (FAPBM) ary ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana (MEDD)
Hihamafy ny fampiharana ny lalàna ho an’ireo mpanimba ala sy mpitrandraka tsy ara-dalàna ny harena voanjanahary. Faritra arovana 91 eto Madagasikara no nahazo famatsiam-bola avy amin’ny Conservation Allies ho fanamafisana ny fampiharana ny lalàna ara-tontolo iainana. Mitentina 30 lavitrisa mandritra ny 30 volana manaraka ny famatsiambola azon’ireo faritra arovana manana taha ambony amin’ny tsindry. Notontosaina ny zoma 27 martsa 2026 ,teny Anosy ny fanolorana ny mari-bola ho an’ireo fikambanana mpitantana faritra arovana. Tamin’io fotoanan io ihany koa no nanatanterahana ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa eo amin’ny Conservation Allies sy ny Fondation pour les Aires Portégées et la Biodiversité de Madagascar (FAPBM) ary ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana (MEDD) momba ny famatsiambola mitentina 80 lavitrisa Ariary mandritra ny dimy taona ho avy mba hanohanana ny fikajiana ireo faritra Arovana.

Razafindrabe Rinah, Tale jeneralin’ny haitondra ara-tontolo iainana ao amin’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy
“Ny Doro tanety sy doro ala, ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny karajavamananaina, ny hazo sarobidy, ny harena an-kibon’ny tany ary ny fangalarana tany ao anatin’ny faritra arovana hanaovana tanimboly na toeram-ponenana no tsindry lehibe mahatonga ny fahapotehan’ny faritra arovana eto Madagasikara”, hoy i Razafindrabe Rinah, Tale jeneralin’ny haitondra ara-tontolo iainana ao amin’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy.
Nambarany fa ao anatin’ny fifanaraham-piarahamiasa ny fanamafisana sy fampiharana ny lalàna amin’ny fanimbana sy fitrandrahana tsy ara-dalàna. “Miainga amin’ny fisafoana atao miaraka amin’ny polisy sy zandary, polisin’ala ,fokonolona sy Vondron’olona ifitony (VOI), mpianala ny fampiharana ny lalàna. Rehefa vita ny fisafoana dia entina anivon’ny fitsarana ny raharaha fandikan-dalàna rehetra. Misy ny fampiofanana ny mpampihatra ny lalàna miainga eny ifotony,toy ny mpitandro filaminana,vondron’ny rano sy ny ala, ny mpitsara mba tena hifameno ny fampiharana ny lalàna, tena hihatra tokoa ny lalàna fanimbana ny tontolo iainana sy ny faritra arovana”,hoy izy.
Fanohanana ireo ekipa mpiaro ny ala
Rafitra amerikanina, niforona ny taona 2019, mamatsy vola amin’ny fiarovana ny karaza-javamanananaina manerantany ny Conservation Allies. Miompana amin’ny fampiharana ny lalàna ara-tontolo iainana sy famatsiam-bola miteraka tena asa mivaingana ho an’ny fiarovana no asa sahaniny. Ny taona 2020 no nanomboka niasa teto Madagasikara. Miara-miasa amin’ny Fondation pour les Aires Protégées et Biodiversité de madagascar (FAPBM) sy ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana (MEDD) ary fikambanana (ONG) mitantana faritra arovana miisa 38 izy.

Dr Paul Salaman , Filohan’ny conservation Allies, nandritra ny fandraisam-pitenenany
“Ao anatin’ireo mpisehatra fototra amin’ny fiarovana ireo harena voajanahary sy ny faritra arovana ny Brigadin’ny Fiarovana izay ahitana miaramila, zandarimariam-pirenena, polisy ary ireo manampahefana hafa eny an-toerana izay eken’ny OMC (Organe mixte de Controle) izay miara-miasa amin’ireo mpisafo ala sy ireo mpiasan’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (DREDD). Ity fampiasam-bola ataon’ny FAPBM, Hempel Foundation ary Conservation Allies, miaraka amin’ireo ONG Malagasy maherin’ny 20 ity dia natao hanomezana fitaovana azy ireo, hanohanana azy ireo ary hijoroana eo anilany. Tena hita sy azo tsapain-tanana ny vokatry ny asanareo izay matetika dia tena sarotra tokoa”, hoy i Dr Paul Salaman , Filohan’ny conservation Allies, nandritra ny fandraisam-pitenenany.
Nambaran’i Rakotoarisoa Solofo Eric solontenan’ny Conservation Allies eto Madagasikara fa vitsy ny mpamatsy vola amin’ny fampiharana ny lalàna eny amin’ny faritra arovana eto Madagasikara ka izany indrindra anton’izao fanohanana izao. Ao anatin’ny tanjon’ny Conservation Allies anatin’ny dimy taona manaraka no hamatsy vola ireo faritra arovana rehetra (140) eto Madagasikara.

Raharison Jean Luc avy ao amin’ny ONG SADABE
Anisan’ireo faritra arovana nahazo tohana tamin’ny Conservation Allies i Tsinjoarivo Ambalaomby, ao anatin’ny Distirka Ambatolampy sy Anosibe an’Ala (faritra Vakinankaratra sy Alaotra Mangoro).Tsindry mahazo ity faritra arovana ity ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny hazo sarobidy (palissandre), ny hazo ala hanaovana sarety sy volamena. “Roa taona izay nahazo tohana tamin’ny Conservation Allies. Miara-miasa amin’ny mpampihatra lalàna, toy ny mpisafo ala, zandary,fokonolona,sy ny VOI izahay. Miezaka foana mampihatra lalàna. Rehefa niaraka tamin’ny Conservation Allies dia nimahafy fampiharana ny lalàna. Ny olona mafy loha rehetra dia voagadra sy nahazo sazy sahaza azy”, hoy i Raharison Jean Luc avy ao amin’ny ONG SADABE izay mitantana ny faritra arovana Tsinjoarivo Ambalaomby.
Ra-Nirina



