Socio-eco

FANOVANA RAFITRA : Lalana tsy azo ihodivirana ny fanomezana lanja fokonolona


« Olana fototra iray mavesa-danja hatramin’izay ny fanaovana tsinotsinona ny fokonolona », hoy ireo Ray aman-dreny nanatrika ny fikaonandoha momba ny fiainam-pirenena, ny tantarany sy ny zava-misy ankehitriny, natao teto Antananarivo, ny 29 oktobra 2025. Maro ireo tanora sy miaramila ary solontena avy any amin’ny faritra no niara-nidinika tamin’izy ireo. Nanamafy ny vondrona VOLOBE, tarihin’ny Jeneraly  Ramakavelo Désiré fa lalana tsy azo ihodivirana ny fokonolona.

Eo am-panomanana ny fifanankalozan-kevitra manerana ny faritra ny VOLOBE, ny Tambazotran’ny fokonolona miaro ny harena voanjanahary (TAFO MIHAAVO) sy ireo fikambanana vonona ho an’ny fanavotam-pirenena. Ho fandrafetana dinam-piarahamonina  eto amin’ny Madagasikara no tanjona amin’izany. Miantso ny olom-pirenena na fikambanana rehetra vonona hifarimbona amin’izany sahan’asa izany izy ireo mba samy hitondra ny traikefany sy ny feony.

« Tsy afaka hipetra-potsiny ho an’ny ho avin’ny taranaka izahay. Izay no andraisana andraikitra fa sao misy diso hevitra fa te hanongam-panjakana na te haka fahefana. Tsia tompoko ! », hoy ny Jeneraly Ramakavelo Désiré.

Ho apetraka ao anatin’ny dinam-piarahamonina fa ny fokonolona no tompon’ny fahefana, masi-mandidy voalohany indrindra ary ho hita taratra amin’ny fitantanana ny raharam-pirenena isan’ambaratongany izany. « Tsy maintsy ny vahoaka no tompon’ny fahefana, no hany tokana afaka mandidy sy manome hevitra mba ahafahana mampandroso satria raha tsy mandroso ny any ifotony dia tsy mandroso ny firenena. Tsy maitsny miova ny rafitra satria raha mijery ny lalam-panorenana dia any amin’ny farany ny fokonolona », hoy i Profesora Rasolofo Réné.

Nandalina manokana momba ny fokonolona amin’ny maha rafitra fototra azy ny TAFO MIHAAVO. Efa misandrahaka amin’ny faritra 23 ny asa fanentanana sahaniny. Tapaka tamin’ny fikaonandoha, notontosaina ny faha-29 oktobra 2025, fa hizara ny traikefany ity fikambanana  ity , miaraka amin’ny VOLOBE, hamoahana antontan-kevitra enti-mandrindra ny famerenana indray ny hasina sy ny lanja ara-drafitra miainga  avy amin’ny fokonolona.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *