Kandida maro no efa nitaraina amin’ny fisian’ny hosoka tamin’iny fihodinana voalohany iny. Fomba isan-karazany no mety fisehon’ny fangalaram-bato amin’ny fifidianana izany. Sahy nijoro vavolombelona sy nilaza ny nataony ny sasatsasany tamin’ireo nirahina nangala-bato tamin’ireo birao-pifidianana teto Antananarivo. Amin’ny fampiasana ireo kara-pifidianana tsy nisy naka no hanaovana izany, hoy ireto olona nijoro fa nanao izany. « Efa vita lamina avokoa ny zavatra rehetra fa manatanteraka fotsiny izahay. Miverina in-dimy ny tsirairay amin’ny kara-pifidianana iray. Efa mahafantatra an’io zavatra atao io ireo mpikambana ao amin’ny birao-pifidianana ka tsy misy ny sakana hanaovana izany », hoy ny iray amin’izy ireo. 30.000 Ariary ny karama omena ny tsirairay hanaovana izany fangalaram-bato izany. Avy amin’ny kandida iray izay miatrika amin’izao fiodinana faharoa izao ny maniraka anay amin’izany, hoy hatrany izy. Ankoatra izay, misy ihany koa ny fanomezana « vato » efa voamarika izay iray andro mialoha ny fifidianana ka narotsaka ny andron’ny fifidianana. Santionany amin’ireo kara-pifidianana nisy nampiasa no nentin’izy ireo naseho ny mpanao gazety omaly Alatsinainy 17 Desambra 2018. Miisa 400.000 izany manerana ny nosy ka eo ampanagonana izany izahay, hoy Fanirisoa Erinaivo. « Tsy ekana ny hosoka toy izao fa manimba ny tena safidim-bahoaka . Efa nitaraina sy niteny izahay fa betsaka ny hosoka tamin’iny fiodinana voalohany iny ».
Nomarihany fa mbola hitory ny naniraka ireo nanao izao izy sy izay miaraka aminy. Manerana an’i Madagasikara no nitrangan’izao toe-javatra izao.
Nirina R.







Pingback: FANIRISOA ERINAIVO: « Niseho masoandro ny fanaovana hosoka » - ewa.mg