Miteraka fandripahana ala sy aretin’ny taovam-pisefoana, indrindra ho an’ny ankizy sy ny vehivavy ny fampiasana kitay sy saribao. Raha ny eto Madagasikara, maherin’ny 95 % ny tokantrano no mbola miankina amin’io loharanon’angovo io amin’ny fandrahoana sakafo. Misy ireo karazana vahaolana ahafahana miala tsikelikely amin’ny fiankinan-doha amin’ny fandrehitra mandoto. Ao anatin’izany ny fampiasana angovo madio (cuisson propre), toy ny saribao ekolojika, ny « briquettes », ny « biogaz », ny entona GPL, ny « éthanol » ary ny fandrahoana amin’ny herinaratra (e-cooking). Mbola vitsy dia vitsy anefa ny mampiasa herinaratra amin’ny fandrahoana sakafo satria eo amin’ny 0,1 % monja ny tokantrano voakasik’izany.
Nikarakara atrikasa fifampidinihana ho an’ireo mpisehatra voakasiky ny fampiasana herinaratra amin’ny fandrahoana sakafo (e-cooking) eto Madagasikara ny AIDES (Appui aux investissements durables) – birao mpanolotsaina misahana ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola maharitra – ny 5 febroary 2026, teny Anosy. Nandray anjara tamin’izany ireo mpisehatra amin’ny famokarana herinaratra an-tanan-dehibe na ambanivohitra, ny fivondronan’ny mpamokatra fitaovana fandrahoana sakafo madio na Madagascar Clean Cooking Initiative (MCCI), ireo mpivarotra fitaovana fandrahoana sakafo amin’ny herinaratra ary ny tomponandraikitra eo anivon’ny ministeran’ny angovo sy ny akoranafo.
Nikaon-doha ho famaritana ny paikady ahafahana mampiroborobo ny fampiasana ny e-cooking ireto mpisehatra ireto. Ny tanjona dia hametraka fototra ara-teknika sy ara-stratejika mafy orina amin’ny famolavolana ireo antontan-kevitra momba ny politikan’ny angovo amin’ny sehatra nasionaly, ary handray anjara amin’ny famolavolana ny tondrozotra nasionaly ho fampiroboroboana ny e-cooking.
« 200.000 ha isan-taona ny ala ripaka noho ny fandrahoana sakafo. 16.000 ny zaza amam-behivavy maty noho ny aretina ateraky ny taovam-pisefoana. Raha tsy mampiasa vahaolana hafa hanoloana ny saribao sy kitay isika dia ny taranaka any aoriana no mizaka ny vokatr’izany. Ity atrikasa androany ity no hanombohana, handinihana manokana ny fampiroboroboana ny fandrahoana sakafo avy amin’ny alalan’ny herinaratra”, hoy i Kenny Fidiarison, tale misahana ny fampiroboroboana ny angovo avy amin’ny akora biolojika.
Fampisitrahana ny e-cooking any ambanivohitra
Anisany sakana tsy ahafahana mampiasa ny e-cooking ny tsy fisian’ny herinaratra. Dingana lehibe ity atrikasa fifampidinihana ity mba hamaritana miaraka ny fomba fampifandraisana ny e-cooking ao anatin’ny fampivoarana ireo tambajotra madinika (mini-réseaux) mpamatsy herinaratra eny ambanivohitra. Amin’izao fotoana izao, 147 ny « mini-réseaux » mamatsy herinaratra eny ambanivohitra izay mandrakotra tanàna maherin’ny 400 ary mamokatra angovo mahatratra 17,7 MW, izay angovo azo havaozina ny ankabeazany.
« Misy toerana mpamokatra herinaratra efa misy tokantrano mampiasa fitaovana fandrahoana sakafo amin’ny herinaratra, toy ny rice cooker, bouilloire. Misy koa ny mpandraharaha amin’ny famokarana herinaratra any ambanivohitra sady mitondra jiro no mitondra fitaovana fandrahoana sakafo fa mbola vitsy ny mampiasa azy. Izay no anton’ ity atrikasa ity hijerena aiza ny mpanjifa sy toerana liana fampiasana e-cooking ka tokony omena fahafahana mividy an’ilay fitaovana fandrahoana sakafo amin’ny herinaratra. Rehefa mihena ny fampiasana saribao dia mihena ny fandripahana ala, misy aina voavonjy eto Madagasikara”, hoy i Manitra Rakotoarivelo- mpitantana ny AIDES.
Tafiditra ao anatin’ny ezaka fampiroboroboana ny fampiasana angovo madio sy maharitra ity atrikasa ho fampidirana ny fandrahoana sakafo amin’ny herinaratra ao anatin’ny fampivoarana ireo tambajotra madinika (mini-réseaux) mpampatsy herinaratra ity.
Ra-Nirina



