Socio-eco

FANARARAOTANA MAMOAFADY: Tomponandraikitra ny haino aman-jery


Misy fiantraikany ratsy amin’ny ankizy niharan’ny fanararaotana mamoafady ny fitantarana ny antsipirian’ny zavatra nitranga niainany amin’ny haino aman-jery. Manoloana izany, nampiofana mpanao gazety miasa sy mpanentana fandaharana miasa amin’ny haino aman-jery na amin’ny aterneto ny fikambanana miady amin’ny fanararaotana mamoafady atao amin’ny ankizy “ECPAT France Madagascar”. 12 mianadahy izy ireo no nanao fiofanana teny Ambanidia ny 22 martsa 2018.

Anterivava : Heriniaina Razafimandimby

“Samihafa ny filazam-baovao momba ny herisetra mifototra amin’ny maha lehilahy sy maha vehivavy (VBG), sy ny fanararaotana mamoafady atao amin’ny ankizy (ESE) ary ny maha lehilahy sy ny maha vehivavy. Noho ny matoandahatsoratra arahin’ny haino aman-jery tsirairay, misy amin’ireo mpanao gazety na mpanentana fandaharana no mitantara ny antsipiriam-piainan’ny ankizy niaina fanararaotana mamoafady na vehivavy niharan’ny herisetra”, hoy ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny ECPAT France Madagascar, Heriniaina Razafimandimby.

Raiki-tampisaka

Resaka herisetra no resahana ka mila fandanjalanjana ny mitantara azy an-gazety na amin’ny filazam-baovao. Nambaran’i Heriniaina fa mpisehatra voalohany anatin’ny haino aman-jery ny mpanao gazety miasa sy mpanentana fandaharana. Izy ireo no mitondra ny lahateny. Mampitamberina ny zava-nitranga niainany ny “iharana” ny fitantarana ny antsiripiriam-piainany. Mahatonga azy tsy hihoatra amin’ny fiainana izany fa heveriny fa miaina herisetra foana izy. Nianarana nandritra ny fiofanana ny tokony ataon’ny mpanao gazet sy mpanentana fandaharana ny fikirakirana ny vaovao momba ny VBG, ny ESE. Ohatra tamin’izany ny fampiasana ny teny hoe: “iharana” na “victime”. Tokony hizatra hiteny hoe “voaaro” na “survivant” ny mpanao gazety na mpanentana fandaharana rehefa miresaka VBG na ESE. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny seraseran’ny ECPAT France Madagascar, fa tokony “voaaro” no ampiasaina rehefa nahazo fandraisana an-tanana na dia voalohany fotsiny aza ilay niharan’ny VBG na ESE.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *