Socio-eco

FAHAVITANTENA ARA-TSAKAFO : Atao ankilabao ireo tantsaha kanefa miankina amin’izy ireo ny sakafo hohanin’ny vahoaka


« Raha izahay no mitokona dia tsy hisakafo ny Malagasy », hoy Rakotomalala, filohan’ny vovonan’ny fambolena ovy any Vakinankaratra sady filohan’ny SIF ( Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany). Nambarany fa ny « 75 %-n’ny sakafo hohanin’ny Malagasy dia avy amin’ny famokarana tantanam-pianakaviana kanefa atao ankilabao izy ireo. Ohatra fotsiny ny vidin’ny zezika  sy  resaka fananantany. Raha misy fangatahana any ivelany dia mbola ho an’io famokarana tantanam-pianakaviana io nefa tsy mandroso akory. Ao amin’io no misy mahantra indrindra », hoy izy. Miankina amin’ny fandrindrana ny haitondra eo amin’ny fananantany, tontolo iainana ary jono ny firosoana any amin’ny fahavitantena ara-tsakafo, araka ny torolalana an-tsitrapo momba ny fitantanana tomponandraikitra amin’ny fananantany, tontolo iainana ary ny jono (Directives Volontaires sur la gouvernance responsable des régimes fonciers applicables aux terres, aux pêches et aux forêts).   Feno 10 taona no namoahan’ny  ratsa-mangaikan’ny firenena mikambana misahana ny sakafo sy fambolena (FAO) io torolalana io.  Voasafidy tao anatin’ireo firenena 11 eto Afrika sy Azia hanaovana tombana momba ny  fampiharana izany i Madagasikara. Notanterahina ny 19 oktobra 2022 teny amin’ny Panorama Andrainarivo ny atrikasa nanaovana jery todika  ny zava-bita momba azy izy ity. Niara-nikaondoha tamin’izany ny fiarahamonim-pirenena tamin’ny alalan’ny SIF niaraka tamin’ny solontenan’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny sampandraharahan’ny fananantany, ny International Land Coalition (ILC) sy ireo mpisehatra voakasik’izany. « Anisany antontan-kevitra fitaratra amin’ity torolalana ity ny politikan’ny fananantany eto Madagasikara satria manana foto-kevitra mifahatra amin’ny fanajana ny zon’olombelona.  Ny tanjona dia ahafahana miroso amin’ny fahavitantena ara-tsakafo nefa miaro ny tontolo iainana lovainjafy », hoy Raparison Éric, mpandrindra nasionalin’ny SIF. Anisany sosokevitra voafaritra ao amin’ity torolalana ity ny fananganana vovonana hifampiresahana. « Karazana vovonana hanaovana fifanankalozan-kevitra maharitra ho an’ny tombontsoan’ny firenena sy vahoaka izy ity fa tsy hiandry misy olana foana vao hiresaka », hoy Raparison Éric. Nohamafisin’ny tomponandraikitrin’ny ILC, Essimi Biloa Alain Christian  fa ho famporisihana ny mpisehatra hiroso hatrany amin’ny fandrindrana fitantanana ny fananantany, tontolo iainana ary ny jono ny fananganana vovonana, araka voalazan’ny andalana 26.2 ao amin’ny torolalana momba fitantanana ny fananantany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *