« Ny vidiny no sakana tsy ahafahan’ny daholobe misitraka ireo fitaovana ahazoana angovo avy amin’ny herin’ny masoandro », hoy i Rabearisaona Fitahiana, « Ingénieur commercial » eo anivon’ny SOLARMAX, orinasa malagasy miompana amin’ny fitsinjarana fitaovana momba ny angovo avy amin’ny masoandro. Ho fanamorana ny fisitrahana izany dia miara-miasa amin’ny SIPEM Banque ity orinasa ity. Afaka mandoa tsikelikely ny vokatra SOLARMAX ny isan-tokantrano na orinasa manomboka izao. Manana tolotra isan-karazany ny SOLARMAX, toy ny fitaovana iadiana amin’ny delestazy (kit anti-délestage), « kit complet », ary ny « kit hybride ».
« Ahitana convertisseur sy batterie ny kit anti-délestage. Ny herinaratra avy amin’ny Jirama ihany no mamahana ny batterie fa rehefa tapaka ny jiro dia mandeha ilay batterie. Natao ho an’ny olona tsy te ampiasa ny herinaratra avy amin’ny Jirama na hahaleo tena ara-angovo kosa ny kit complet. Miasa ny panneau solaire rehefa maraina ary ny battérie amin’ny hariva. Farany, ny kit hybride dia mampihena ny vidin’ny herinaratra avy amin’ny Jirama satria laharam-pamehana voalohany ny angovo avy amin’ny masoandro fa any amin’ny laharana fahatelo ny Jirama », hoy i  Rabearisaona. Afaka manome tolotra mifanaraka amin’ny filà n’ny tsirairay ny orinasa, araka ny fanazavany.
Raha ny sarany no resahina dia  manomboka amin’ny telo tapitrisa (3.000.000) Ariary ny kit anti-délestage. Manomboka amin’ny dimy tapitrisa (5.000.000) Ariary  kosa ny « kit complet »  (ao anatin’ny batterie, convertisseur izay manana tanjaka 850 VA sy panneau).
Fomba ahazoana ny crédit vert
Nambaran’i Henintsoa Randrianarison, tomponandraikitryny serasera eo anivon’ny SIPEM Banque fa amin’ny maha « crédit vert » azy dia « ambany ny tahan’ny zanabola raha oharina amin’ny tahan’ny zanabola mahazatra ». Aloa ao anatin’ny enim-bolana ka hatramin’ny 48 volana izany.  « Afaka misitraka  ny crédit vert rehefa manana sehatr’asa mazava tsara », hoy izy. Nilaza izy fa ao anatin’ny tanjon’ny SIPEM Banque ny fampandrosoana maharitra sy fiarovana ny tontolo iainana. Afaka manatona ny toeram-pivarotan’ny SOLARMAX eny Andraharo na eny Ambodivona raha hisitraka ity tolotraity ka misafidy ny entana tiany ho vidiana. Manome « devis » na « facture proforma » miaraka amin’ny antontan-taratasy rehetra izay mety ilaina ny orinasa. Manatona ny masoivoho SIPEM akaiky avy eo. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy 17 jolay 2025, teny Andraharo ity ny fiarahamiasa ny roa tonta ity.
Ra-Nirina



